Auteur/autrice : Adnews

Scamming: Mamotika ny toekarem-pirenena

Tranga mahazo vahana maneran-tany ny “Scam­ming”. Fisolokiana atao amin’ny alalan’ny internet na fifandraisan-davitra mba hangalana vola na angon-drakitra aman’olona. “Mamotika ny toekarena ny firoboroboan’izany. Antony nahatonga an’i Madagasikara nanangana ny Task Force miady amin’izany”, hoy ny sekretera mpanatanteraky ny biraom-pirenena miady amin’ ny famarinana olombelona (BNLTEH), Ra­mahandrisoa Éric. Anatin’ny fandinihana […]

Fitaterana ana habakabaka : Miverina ny sidina Antananarivo-Comores

Hanomboka ny 30 jolay ny sidina voalohany mampitohy ny firenena roa tonta, taorian’ny fiatona aman-taona. Hisy sidina roa isan-kerinandro, isaky ny alakamisy sy alahady. Vita sonia omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Madagascar Airlines sy ny AFG Bank Madagascar ho fanamarihana ny fiverenan’ny sidina ana habakabaka Antanana­rivo­–Mahajanga–Moroni. Hetsika natao teo anatrehan’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nitsidika tampoka ny CO-FDS ny Praimini­sitra, Rajaonarison Mamitiana, afakomaly. Nijery ifotony ny zava-misy sy nankahery ireo tomponandraikitra sy ny vahoaka voakasika ny tenany, tamin’izany. Nanome toromarika koa mba hampandeha haingana sy amim-pahombiazana ny fandraisana andraikitra amin’izao tsy fandriampahalemana izao. Anisan’ireo mpanolotsaina manokanan’ny Filo­han’ny Fanavaozana Ralaiseheno Guy Maxime. Nitondra ny heviny […]

Kly Randrianirina Michaël : « Ilaina ny fiaraha-miasan’ny samy Afrikanina»

Nihazo an’i Egypte, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randria­nirina Michaël, mivady. Nam­barany teny am-piaingana fa tafiditra amin’ny fiaraha-miasan’ny samy Afrikanina ny fitsidihana. « Mbola mino tanteraka aho fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena afrikanina no hanavotra ny firenena afrikanina manontolo », hoy izy, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nan­teriny […]

Tanora mahavita azy!

  Anisan’ny zava-dehibe amin’izao fotoana izao ny fanombohan’ny fikaonandoham-pirenena. Hisantatra izany rahateo ny tanora, anio, eo ambany fiahian’ny FFKM sy ny fitondram-panjakana. Heverina fa rariny sy hitsiny tokoa ny tanora no mamaky lay izany. Izy ireo rahateo no tompon’antoka voalohany amin’ny zava-misy ankehitriny. Tsy afa-miala fa rangory fototry ny afo […]