Tratran’ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany, ny 19 jolay teo, ny teratany vahiny nitrandraka volamena tsy ara-dalàna tany amin’ny fokontany Marotalona, kaominina Antsiafabositra, distrika Maevatanàna. Nogiazana ireo fitaovana fitrandrahana volamena goavana nampiasain’izy ireo. Mampiasa milina vaventy mihitsy ireo mpitrandraka toy ny fandavahana tany (tractopelles), ny fanivanana ny volamena, sns. Miisa telo […]
Auteur/autrice : Adnews
Karazan-javamananaina : Ahitana rohivoahary marolafy ny CMK Mahavavy-Kinkony
Midadasika, mitotaly 350 824 ha ny Vondrona faritra arovana Mahavavy-Kinkony (CMK) any amin’ny faritra Boeny. Mampiavaka azy ny fisian’ny rohivoahary samihafa, toy ny ala maina matevina, ny faritra mando an-tanety (farihy sy renirano) sy an-dranomasina, ny ala honko, sns. Ao anaty sokajy fahadimy, araka ny fandaharana iraisam-pirenena IUCN, Faritra Arovana […]
FANTINA sy FINTINA
Hisy ny tatitra isan’andro momba ny fahaverezan’olona na fakana an-keriny na vono olona ataon’ ny Ivontoeram-pibaikoana, « CO-CCO », isaky ny hariva amin’ny 6 ora sy sasany. « Tsy misy afenina ny hetsika rehetra ataon’ny fanjakana hiadiana amin’izany », hoy ny tale jeneralin’ny Serasera (MSK), Rakotomalala Faly. Nametraka fangatahana vaovao […]
Antoko Malagasy miara-miainga : « Hanova ny lalan’ny tantara ny fikaonandoha »
Nitohy tany Matsiatra Ambony indray ny fikaonandoham-paritra eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny herinandro teo. Nambaran’ ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, tamin’izany, fa zava-dehibe ny fikaonandoham-pirenena. Notsindriny fa fakan-kevitry ny antoko ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena izao tanterahin’izy ireo amin’ ny faritra 24 izao. « Zava-dehibe izany satria ahafahana manova tanteraka […]
Tsy very fanantenana
Hanao ahoana ihany izao toe-draharaham-pirenena izao? Tsy inona fa ny amin’ny fangalarana sy famonoana olona etsy sy eroa… Mitebiteby andro aman’alina ny vahoaka. Misy mampiaka-peo amin’ny fitakiana asa haingana sy mivaingana amin’ny fitandroana filaminana, fikarohana ny marina, fanenjehana sy famaizana ny olon-dratsy… Mbola azo itokisana sy azo antoka amin’ny […]





