Auteur/autrice : Adnews

Fanelezana vaovao diso : “Manohitohina ny filaminam-bahoaka”, hoy ny polisim-pirenena

Nomarihina omaly ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. “Mpiray ombon’antoka amin’ny fitandroam-pilaminana ny mpanao gazety”, hoy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Inspecteur Général de Police Erick Michel . Nitondra ny heviny sy nizara ny traikefany ma­hakasika ny asa fanaovan-gazety ny polism-pirenena. Tafiditra tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena momba ny fahalalahan’ity asa ity izany. […]

Fiarovana ny tontolo iainana : Hisy hetsika manokana eto Antananarivo

Nanomboka tamin’ny sa­botsy hatramin’ny 10 mey 2026 ho avy izao ny « Festival de la nature ». Hetsika karakarain’ny Festive groupe, izay tanterahina eto Antananarivo. Tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny hetsika. Mifantoka indrindra amin’ny fanabeazana sy fanentanana ireo tanora an-tanàn-dehibe momba ny olana sy ny tokony ny hanajana ny […]

Samoëla : Seho nitetezana ny 30 taona ny « Hiaka-dapa »

Feno ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina etsy Imahamasina, omaly. Nanamarika ny faha-30 taona an-tsehatra i Samoëla, tamin’ ny alalan’ilay seho « Hiaka-dapa ». Amin’ny ankapobeny, nanana endrika tsiahy ity fampisehoana ity. « … Asonga­din­tsika ao mihitsy, tokoa, ilay 30 taona niarahantsika izay… », hoy i Samoëla, andro vitsy nialohan’ny fampisehoana. Avy ao anatin’ireo […]

Fifanintsanana «Can 2027» : Ho fantatra ny vondrona misy ny Barea

Hotanterahina any Kenya, Ouganda, Tanzanie, ny 19 jona hatramin’ny 17 jolay 2027 ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny Can 2027. 19 mey ho avy izao kosa, ny antsapaka hahafantarana ny ekipa mpiray vondroka. Anisan’izany ny Barean’i Madagasikara. Nivoaka ny fanambaran’ ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra (CAF) mahakasika […]