Auteur/autrice : Adnews

Ambositra : Kaominina 11 nahazo Vatsin’ankohonana

Mitohy ny tetikasa Vatsin’ ankohonana any amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Kao­minina 11, anatin’ny distrikan’ Ambositra nizarana izany niaraka tamin’ny Tosika fihariana. Olona miisa 9 500 no nahazo tombony tamin’ny fisitrahana ny Vatsin’ankoho­nana tamin’ity andiany ity. Natao hanohanana ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany ny Vatsin’ ankohonana. Ankoatra izay ny […]

Ady amin’ny famarinan’olona : mpitarika 6 miofana any Etazonia

Malagasy sy Kaomoriana 6 mianadahy mpitarika no voafantina handray anjara amin’ny programa International Visitor Leadership Program (IVLP) 2024 izay miompana amin’ny ady amin’ny famarinan’olona. Niarahaba manokana ny ezaka sy fanoloran-tenan’izy ireo, amin’ity sehatra ity, ny masoivoho Amerikanina, Claire Pierangelo, nandritra ny tafatafa fanomanana ny dian’izy ireo. Hitety fanjakana 4 any […]

Oniversiten’Antananarivo : niverina nianatra ny mpianatra, hirosoana ny famahana ny olana

Tony ny onja ho an’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Ankatso. Manaiky ny fandaminana ny mpianatra. Miroso amin’ny famahana ny olana ny minisitera mpiahy. Niravona ny disadisa teo amin’ny mpianatry ny oniversite sy ny tomponandraikitra rehefa natao ny fifampidinihana. Nitsahatra omaly, ny fitokonana ary ha­naraka ny fandaminana ny mpianatra. Nanaiky ny vatsim-pianarana 3 […]

Poa-basy inefatra: raim-pianakaviana naratra voatafika

Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Ampanataovana Atsimo, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo, ny alahady alina teo. Raim-pianakaviana iray naratra teo amin’ny tanany… Raim-pianakaviana iray naratra nandritra ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny amin’ny fokontany Ampanataovana, kaominina Ampanotokana, distrikan’ Ambohidratrimo, ny alahady alina tamin’ny 11 ora. Jiolahy valo nitondra basy no tompon’antoka tamin’ny fanafihana, araka ny […]