Auteur/autrice : Adnews

Ampandrana : Ankizivavy miisa sivy naolana lehilahy 47 taona

Ankizivavy miisa sivy (6 ha­tramin’ny 12 taona) no ni­haran’ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo nataona lehilahy lehibe iray 47 taona teny amin’ny fokontany Ampandrana. Tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny fitsarana, omaly, araka izany, ireo ray aman-dreny maromaro monina sy mipetraka eny amin’io fokontany io. Niharan’ ny herisetra ara-nofo matetika ireo ankizivavikely […]

Ambohimanarina : Mpanendaka nahatrarana basy kilalao

Voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon’ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ambavoahy, Ambohi­manarina, boriborintany fahenina, ny mpanendaka roa lahy, omaly. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny anivon’ireo boriborintany sasantsasany eto an-dReni­vohitra, nanao fisafoana alina niaraka tamin’ny andrimasom-pokonolona ny polisy avy eo anivon’ny kaomisaria Ambohi­manarina. Nifanehatra tamin’ny mpanao fisafoana ny olon-dratsy […]

Mpinamana niady teny Manjakaray : Lehilahy iray maty notrobarana vy

Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray, tetsy Manjakaray, ny alahady lasa teo. Niady tamin’ny namany izy. Notrobaran’ity farany zava-maranitra teo amin’ny orony ka nahazo ny faritry ny lohany. Nitrangana vonoan’olona mahatsiravina tetsy amin’ny fokontany Manjaka­ray II D, boriborintany fahadimy, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 15 marsa lasa teo. Niharan’ny […]

XXL Smatchin Ao Tsara : Nafana ny fanokafana ny andiany faha-12

Nisokatra ofisialy, ny sa­bo­tsy teo, teny amin’ny La­pan’ny fanatanjahantena Ma­hamasina, ny andiany faha-12 amin’ny « XXL Smatchin Ao Tsara ». Fifaninanana basikety ho an’ny sekoly ambony. Feno hipoka ny teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina nandritra ny lanonana fanokafana ity fifaninanana ankafizin’ny maro ity. Tsy misaraka amin’ny fampisehoana sy fanentanana rahateo moa ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Namoaka vaovao ny pejy tao amin’ny Fosa juniors FC, klioba avy any Boeny mifaninana amin’ny PFL, fa tsy hisy lalao amin’ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara sy ny PFL handeha intsony any Mahajanga. Fanapaha-kevitry ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra izany. Malahelo ihany ity klioba avy any Boeny ity, saingy tsy ho […]