Auteur/autrice : Adnews

Fandraharahana: 82 tapitrisa euros ho an’ny tanora tantsaha

Tohanan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (Fida), ny Fandaharanasa fanamafisana ny fandraharahana maharitra sy fanohanana ny toekarena ny tanora tantsaha mpandraharaha (Progres). Miaraka mamatsy vola azy ny Fida sy ny Tahirimbola avy amin’ny firenena mpikambana ao amin’ny OPEP. Mitenti­na 82.780.000 euros ny fama­tsiambola azon’i Madagasika­ra, izay mizara telo. […]

Tsy fanjarian-tsakafon’ny reny: mila ampitomboina ny sakafo notovonantsoa

“Niakatra ho 25% ny tahan’ ny tsy fanjarian-tsakafo ma­hazo ny reny amin’ny firenena misedra krizy ka miteraka olana ara-pahasalamana ho an’ilay reny sy ny zaza vao teraka izany”, hoy ny fanazavan’ny Unicef, taorian’ny fa­nadihadiana nataony. Ilaina, noho izany, ny fametrahana fandaharanasa hanohanana ny tovovavy sy ny vehivavy ara-tsakafo satria manomboka […]

Tsinjo fahasalamana an-tsekoly: mpitsabo mpanampy 20 nahavita fiofanana

Nahatratra 735 ireo mpi­tsabo mpanampy liana tamin’ ny firotsahana an-tsehatra hiandraikitra ny fikarakarana ny fahasalaman’ny mpianatra eny anivon’ny sekoly ka tonga nanatitra antontan-taratasy. 20 tamin’izy ireo no voafan­tina ary nanaraka fiofanana manokana hahafahana mandray an-tanana mivantana ireo ankizy tratran’ny tsy fahasalamana tampoka any an-tsekoly. Noraisin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena izy ireo […]

Cua – Fiofanana : mpivarotra hani-masaka 40 nahazo mari-pankasitrahana

Notolorana mari-pankasitrahana teny amin’ny INTH Ampe­filoha ireo mpivarotra hani-masaka 40 eto Antana­narivo, omaly. Nisitraka izany ny ao amin’ny Tsenan’ny Zai­maika, Soamanan­tombo ary Mahamasina. Nampiofanina momba ny fikirakirana sy fandrahoana sakafo izy ireo. Eo koa ny vonjy taitra ary ny fiso­rohana amin’ny trangana firehetana. Tanjona ny hampiakarana ny lentan’ireo mpahandro sakafo […]