Auteur/autrice : Adnews

Mesupres-Fondation Viseo : Mifanome tanana hanarenana ny Oniversite

Vita sonia ny alakamisy teo, tao amin’ny Atelier Luban, teny amin’ny Sekoly ambony Polyteknika Vontovorona (ESPA), ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny Fondation Viseo mahakasika ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba eny anivon’ny Oniversite. “Tanjona ny hanomezan-danja ny toeram-pianaran’ny mpianatra izay fototra iorenan’ny fampandrosoana […]

TARATRY ny KANTO

Hisy ny fampirantiana sary, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy. Hisokatra manomboka anio izany, hatramin’ny zoma 5 desambra ho avy izao. Ao anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo izy ity, ho fanehoana ny herin’ny asa an-tsitrapo eny anivon’ny fiarahamonina ireo sary nofantenana. Sary manaitra, feno hafatra, sy fihetseham-po, […]

Sehatra Bagasy volana desambra: Hotanterahina ny « Atrikefa famaranan-taona »

Raikitra! Hiavaka ny ha­ma­ranana ny taona 2025 ho an’ny Sehatra Bagasy sy ireo mpivoy sy mpanandratra ary mpikolokolo ny bagasy. Ho­tan­terahina ao amin’ny efitrano malalaka Aro Antsahavola ny « Atrikefa famaranan-taona 2025», ny sabotsy 6 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. «Hanamboarantsika fehezam-boninkazo ho an’ny taona 2025. Hiarahantsika […]

« Bâtir l’espoir » : Nivoaka nankany France ny bokin’i Viviane Rahariniaina

Fitaovana iray mahomby ho an’ny ady amin’ny tsy rariny anaty fiarahamonina ny boky. Mampibaribary ny zava-misy, saingy mamelombelona ny fanantenana ho an’ny hoavy tsara kokoa. «Bâtir l’espoir» na «Ma­nangana fa­nan­te­nana» raha adika malalaka. Tsy fintina fo­tsiny ny lohateny, fa maneho avy hatrany ny hafatry ny mpanoratra, Viviane Rahari­niaina. Nivoaka tamin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nikatona vonjimaika ny orinasa QMM Taolag­naro, nanomboka ny 1 desambra 2025 teo, hatramin’ny 5 janoary 2026. Mikatona ihany koa ny birao eto Antananarivo. Noraisina ity fepetra ity hanamafisana ny faharetan’ny asa sy hiarovana ny hoavy. Tafiditra ao anatin’ity paikady ity ny hifehezana ny fandaniana, mba ho orinasa maharitra sy mahomby, […]