Nampiakarin’ny Repoblika Frantsay amin’ny laharam-boninahitra ambony, Chevalier de l’Ordre national du Mérite, Raveloarimisa Mbolatiana, mafana fo amin’ny fiarovana ny zon’olombelona. Tamin’ny alalan’ny masoivoho frantsay, Arnaud Gulois, no nanomezam-boninahitra azy amin’ny maha vehivavy feno fanoloran-tena sy be herim-po ary mitolona tsy tapaka amin’ny fitakiana ny fanajana ny maha olombelona. Nahafantarana ity […]
Auteur/autrice : Adnews
Fampianarana sy Seces : Hiara-hanarina ny fampianarana ambony
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana aratsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy ny birao nasionalin’ny sendikàn’ny mpampianatra-mpikaroka sy ny mpikaroka-mpampianatra (Seces) notarihin’ny filohany, Dr Randriamialinoro Faliarivony ny herinandro lasa teo . Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministera sy ny sendikà ho fanarenana sy […]
Lycée technique manerana ny Nosy: Mpianatra 13 nahazo vatsim-pianarana ho any Algerie
Efa lasa any Algerie ireo mpianatra 13 nahazo vatsim-pianarana taorian’ny fitsofan-drano nataon’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio, azy ireo, ny herinandro lasa teo, teny Ampefiloha. Mpianatra 13 (vehivavy telo ary lehilahy folo) andiany voalohany no nalefan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa any Algerie. […]
TSELATRA
Efa hita omaly avokoa ireo olona enina nanaovana fikarohana tamin’ny tambajotra an-tserasera. Tsy nahazahoana vaovao kosa ny antony tsy nahitana azy ireo. Marihina fa tsy hita popoka nanomboka ny sabotsy tolakandro teo, teto Antananarivo izy rehetra ireo. Nisy antso an-tariby nanafatra azy ireo ho any Anosiavaratra, ny sabotsy tamin’ny 9 […]
Haintrano tetsy Andavamamba : Rangahy iray may kilan’ny afo tao an-tranony
Nitrangana haintrano namoizana aina indray tetsy amin’ny Cité Tanambao Andavamamba, Andavamamba Anjezika II, boriborintany voalohany, omaly maraina tamin’ny 10 ora latsaka fahfany. May kilan’ny afo nandritra izany, ny lehilahy iray, manodidina ny 50 taona. Raha ny fanazavana voaray amin’ny mponina manodidina, mipetra-drery io rangahy maty io. Trano biriky nahitana efitra […]




