Auteur/autrice : Adnews

IPM: Malagasy nikaroka ny momba ny moka

Nampahafantatra ny fikarohana nandraisan’ireo Mala­gasy anjara ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM). Faman­­tarana ny niandohan’ny moka an-tanàn-dehibe mpitsentsitra ran’olombelona ao Londres no nanaovan’izy izany. Tambajotran’ny fikambanana sy manam-pahaizana iraisam-pirenena antsoina hoe PipPop (the Culex Pipiens PoPulation Genomics Pro­ect),­ miara-miasa amin’ny fikarohana lalindalina kokoa momba ny fivoaran’ity karazana moka ity, izy […]

JICA : Tanora malagasy 3 nisitraka vatsim-pianarana

Vatsim-pianaran’ny Jica, “SDG’s Global Leader” sy “ABE Initiative” no nositrahin’ny tanora malagasy 3 mianadahy, ny volana septambra teo. Mikendry ny hanofana Malagasy mpitarika mba hahavita mamolavola tetikasa azo hampiharina amin’ny olana mifandraika amin’ny fampandrosoana maha­ritra ny vatsim-pianarana “SDG’s Global Leader”. Ny “ABE Initiative” kosa natao hampitombo ny ny fahaiza-manao sy […]

Fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Japon : Manan-danja ny fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka

Nizara ny asa vita nandritra ny telo taona naha masoivohon’i Japon azy teto Madagasikara sy Comores i Abe Koji, tamin’ity herinandro ity, teny Ivandry. Tapitra ny fe-potoam-piasany. Anisan’ny nisongadina ny lafiny fanatsarana ny sosialy mipaka amin’ny vahoaka. Tafiditra amin’izany ny tetikasa fanatsarana ny fitaovana ampiasaina hitantanana ny fako eto an-dRenivohitra. […]

FANTINA sy FINTINA

Atao andrimaso eny amin’ny Bianco, efa hatry ny afakomaly ny tale jeneraly teo aloha an’ny Cnaps, Rakotondraibe Mamy, sy ny tale jeneralin’ny SMGD, Andriamananony Thierry. Nantsoin’ny Bianco koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Anisan’ny hanadihadiana azy ireo ny momba ny fitantanana tsy ara-dalàna. Mitaky ny hampitsaharana ny fanenjehana azy ireo […]

Ceni – fifidianana: “Miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena”

«Tsy mbola voafaritra ny daty hanaovana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Hisy ny fikaonandoham-pirenena izay karakaraina amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy hisy ny adihevitra momba ny vanin’andro hanatanterahana fifidianana amin’izay fikaonandoham-pi­renena izay». Io ny fanaza­van’ny filohan’ny Ceni, An­dri­a­narisedo Dama, teny Ala­robia, afakomaly, taorian’ny fihaonan’ ny iraka manokan’ny Von­drona Afrikanina (UA). Rehefa […]