Somary mangingina hafahafa izany indray aloha ny eny an-dapa tato ho ato. Asa! Variana amin’ny fitetezam-paritra angamba? Iaraha-mahalala fa mihazakazaka tokoa ny mpanolotsaina ambony midina eny anivon’ny vahoaka ifotony. Anisan’ny mendrika ny hisitraka izany ny Malagasy any ambany ravinkazo. Ny Filoham-panjakana moa manohy ny fandraisan’olona. Mifanindran-dalana amin’izay anefa, miseholany […]
Auteur/autrice : Adnews
Andriantsitohaina Claudia : Maneho ny fanohanana azy ny vehivavy sy ny firaisamonim-pirenena
Tapitra ny fe-potoana ahafahana mitazona an’Andriantsitohaina Claudia eny amin’ny Bianco, saingy tsy mbola navoaka izy. Mampiaka-peo noho ny tsy fanajana ny zony ny vehivavy sy ny firaisamonim-pirenena. Efa mihoatra ny fe-potoana voalazan’ny lalàna ahafahana manao andrimaso ny vadin’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. Maneho ny alahelony, araka izany, ny fiarahamonim-pirenena […]
TSELATRA
Fiara fitateram-bahoaka, zotra 144, iray tapaka transmission tetsy Avaradoha, omaly tamin’ny 4 ora hariva. Nizotra hiakatra an’Ampasapito ity fiara iray ity, feno mpandeha izao nisy olana tampoka izao. Saika niharan-doza noho ny lalana miakatra ireo tao anaty fiara. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ireo mpandeha anefa, vao nahavita fitsirihana “visite […]
Tototry ny tany : Mpitrandraka volamena namoy ny ainy
Olona efatra nifamonjena, nihotsahan’ny tany, tao amin’ny karieram-bolamena iray ao amin’ny tanànan’ Ambohinihaonana, distrikan’Ifanadiana, ny talata 11 novambra teo. Mivelona amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena, ireo olona lasibatra. Nanorana matetika ny andro tao anatin’ny herinandro, nitohy hatrany anefa ny asa andavanandron’ireo mpivelona amin’ny fitrandrahana tao an-toerana. Nihotsaka […]
Notsindromina antsy : Ramatoa iray hita faty tao an-trano nihidy
Renim-pianakaviana iray hita faty tao an-tranony, ao Tanambao Bitavolo, kaominina Ampasina Maningory, disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana, ny talata lasa teo. Nihidy avy any ivelany ny trano ka nosokafana. Vatana mangatsiaka efa nihoson-dra teo ambony fandriana no hitan’ny fianakaviana. Nahitana tsatoka antsy maro ny vatany, nandritra ny fizahana ny razana nataon’ny mpitsabo […]




