Auteur/autrice : Adnews

Manokatra varavarana

  Manomboka misokatra tsikelikely amin’izao fotoana izao ny varavarana ho an’ny ankolafin-kery rehetra te hanohana ny fanavaozana tena izy. Efa hita taratra manodidina an-dry zalahy henjana ny ankamaroan’ny olona niloko ilay volom-boakazo, kanefa voahilika nialoha ny fotoana. Ny tale sasany niova minisitera, ny hafa nahazo toerana tsy lavitra ny mpandoa-bary. […]

Atrikasan’ny AP-COI : Mandray anjara mavitrika ny parlemanta malagasy

Manatrika ny atrikasa itambaran’ny fikambanan’ny Antenimierampierenena ato amin’ny Vaomieran’ny ranoma­simbe Indianina i Madagasikara. Fivoriana natomboka omaly, ao Port Louis, Maorisy. Ny fiarovana an-dranomasina sy ny toekarena manga, ny momba ny fiandrianam-pirenena sy ny fiarovana ireo fari-dranoma­sina ary ny fampandrosoana maharitra ireo harena an-dranomasina. Ireo no ifantohan’ ny fivoriana atrikasa itamba­ran’ny […]

TSELATRA

Lehilahy iray 29 taona nahatrarana fonosana rongony miisa 15 tany Manolotrony, fokontany Saha­von­tsilana, kaominina ambanivohitra Sahasinaka, distri­kan’i Manakara, omaly. Nahitana rongony tokony ho 200 grama tao anaty selofanina mainty. Niaiky izy fa hamidiny 500 Ar ny fonosana iray. Nosamborin’ny zandary izy ary efa mia­trika fanadihadiana. Nitrangana haintrano tao Ambongamarina, fokontany […]

Nangalatra tariby an’ny Jirama : Jiolahy iray tavela teny ambony andrin-jiro

Mitohy ny fahatrarana ireo mpangalatra tariby mitondra herinaratry ny Jirama tato ho ato. Lehilahy iray indray no lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Am­pahimanga, tany an-toerana, ny alin’ny talata hifoha omaly. Lehilahy miisa fito no niray tendro ka nangalatra sy na­nongotra ireo tariby mitondra ny herinaratra tany amin’ny fokontany […]

IMerimandroso : Fasana iray vaky, very ny razana miisa 27

Novakian’ny olon-dratsy ny fasana iray ao Ambohi­man­jaka, fokontany Ambohidrakitra, kaominina Imeriman­droso, omaly, tamin’ny 01 Ora sy 30 minitra atoandro. Naha­tsikaritra ny fasana efa vaky ny mponina sendra nandalo handeha haka vilona, ka nampandre ny sefo fokontany tany Ambo­hidrakitra. Ity farany no nampandre ny zandary avy ao amin’ ny zana-tobim-paritra Imerimandroso. […]