Auteur/autrice : Adnews

ONPM : Hanohana ara-tsaina ireo kivy vokatry ny krizy

Manoloana ny vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenena, izay miteraka havizanan-tsaina ho an’ny maro, mitondra fitsinjovana sy tohana maimaimpoana ny Holafitry ny Psykology eto Madagasi­kara (ONPM). Tolotra maimaimpoana sy an-tsitrapo momba ny tohana ara-tsaina no hataon’izy ireo amin’izany. Misy ny toerana hifampizarana azo antoka ho an’ny fihainoana sy fanoha­nana izay iarahana amin’ny […]

FMBM: Miezaka miarina taorian’ny faharavana

Anisan’ny voaroba ary nodorana mihitsy ny foiben’ny Fikam­banana mampiely Baiboly(FMBM). Maro ny fahara­vana, saingy an-dalam-panarenana ny ekipa amin’izao fo­toana. Mifarimbona amin’izy ireo ny tsara sitrapo sy ny avy amin’ ny fikambanana mpiara-mamaky Baiboly amin’ny fanadio­vana sy ny famerenana amin’ny laoniny indray ity foiben- toerana ity. Maro ny kristianina tohina tamin’ny […]

“First Foods Africa”: Iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy aty Afrika

Mbola olana amin’ny fahasalaman’ny ankizy ny tsy fisitrahana sakafo ara-pahasalamana hitondra fitomboana ara-batana sy ara-tsaina eo aminy. Nametraka hetsika iraisana i Afrika iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo miaraka amin’ny Unicef sy ny Vondrona afrikanina. Nampahafantarina tamin’ ity herinandro ity, tany Cotonou (Bénin), ny “First Foods Africa” iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mianjady […]

Fanajariana ny tany sy ny fananantany : Hovaliana ny filàn’ny mponina an-tanàn-dehibe

Nifampidinika tetsy Anosy, omaly, ny avy ao anivon’ny Sampandraharaha misahana ny Fanajariana ny tany sy ny sampandraharaha misahana ny fananantany eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) . Voaresaka tamin’izany ny olana atrehin’ny tanàn-dehibe. Nambaran’ireo tomponandraikitra tamin’izao atrikasa izao fa anisan’ny tanjona ny hanitarana ny fanamarinana sy […]