Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Hatramin’izao, mihoatra ny 130 miliara Ar ny tetibidin’ny entana na vola nogiazan’ny Bianco, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakama­nantsoa Gaby Nestor, teny Ambohibao, omaly. Hato­lotra ny Pac mba ho tonga any amin’ny Arai izany, hahazoana mamerina azy any amin’ny fanjakana, rehefa hita tokoa fa avy amin’ny kolikoly no nipoirany. […]

CUA : Mpanolotsaina mpanohitra roa nisy nisambotra

Nisy olona nanao fanamiana sivily nisambotra ny mpanolotsaina mpanohitra roa eo anivon’ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra (CUA), nanoloana ny Lapan’ny Ta­nàna Analakely, omaly. Tsy iza fa Rahanirina Clémence sy Rakotoarisoa Alban. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina no nitrangan’izay. Saika hanatitra taratasy fangatahana fahazoan-dalana eny amin’ny prefektioran’Antananarivo amin’ny hetsika kasain-dry zareo […]

Mifampidi-kizo

  Miezaka ny mamokatra tantaram-pirenena vaovao ho an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fambolena hetsika toy ny tany Nepal ny mpanohitra fitondrana. Tao anatin’ny andro vitsy, mitady hirika ny handrehetana ny afo izy ireo. Mipoitra tsikelikely ny fikotrehana hetsi-bahoaka, mialoka eo ambanin’ny olana sosialy mianjady amin’ny vahoaka. Misy ny sokajin’olona mitady hijapy […]

Fe-potoana fiasan’ny Filoha: “Azo atao ny fitsapan-kevi-bahoaka”, hoy Rakotomanga Taciano

“Voalaza mazava tsara ao amin’ny And. 5 amin’ny lalàmpanorenana fa an’ny vahoaka ny fahefana. Ampiasaina amin’ny alalan’ny fifidianana izany fahefam-bahoaka izany. Azo atao tsara raha ohatra misy ny fangatahana ny safidin’ny vahoaka amin’ny fanaovana fitsapankevi-bahoaka.” Io ny nambaran’ny governoran’ny Faritra Diana, Rako­tomanga Taciano, tamin’ny mpanao gazety tany Antsira­nana, afakomaly, manoloana […]

TSELATRA

Levon’ny afo ny tokantrano iray tao amin’ny fokon­tany Ambalavola, Antsiranana, omaly. Nifamonjen’ ny fokonolona sy ny mpamonjy voina novonoina ny afo saingy kila avokoa ireo entana tao an-trano. Mitohy ny fikarohana ireo zaza roa lahy tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy 15 septambra teo, tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, kaominina Satro­kala, […]