Mirefy 80 km ny ampahany voalohany amin’ny Arabe migodana, miainga eto Antananarivo, eny Tsarasaotra (PK0), hatrany Anjozorobe. Natao ny 8 hatramin’ny 17 avrily teo ny fanoritana ny tohin’ny lalana handalovan’ny tetikasa, eo amin’ny PK40 hatrany amin’ny PK80 (Anjozorobe). Notetezina daholo ny toerana, ny vohitra sy tanàna, miainga any Antanetibe-Anjeva, ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Orinasa Base: Mazava amin’ny rehetra ny tetikasa
Natao ny 22 avrily teo ny fanazavana momba ny tetikasa Base any amin’ireo kaominina efatra (Tsianisiha, Ankilimaliniky, Maromiandra, Belalanda) voakasika mivantana ao amin’ ny distrika Toliara II, notarihin’ny governoran’Atsimo Andrefana. Tao daholo ny ben’ny Tanàna, ny tomponandraikitry ny Fananan-tany ary ny sefo fokontany. Nanazava tamin’ny antsipiriany ny tomponandraikitry ny orinasa […]
Vidin-tsolika : Miakatra mandritra ny volana mey
Miakatra ny vidin-tsolika eto Madagasikara mandritra ity volana mey ity. Antony mahatonga izany ny fiakaram-bidy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena nandritra ny volana marsa teo. Nihena ihany koa ny vokatr’ireo mpanondrana manoloana ny zava-misy ara-toekarena maneran-tany izay mandray anjara amin’ ny fomba hikajiana ny vidin-tsolika mihatra eto amintsika. Araka izany, “miova […]
Fambolena sy fiompiana: Misy fiantraikany lehibe ny fiovaovan’ny toetr’andro
Misy fiantraikany eo amin’ny fambolena sy fiompiana ataon’ny tantsaha ny fiovaovan’ny toetr’andro. Mampihena ny vokatra miakatra amin’ny ankapobeny izany, raha ny fanadihadiana natao tamin’ ireo tantsaha. Mpamboly sy mpiompy ny ankamaroan’ny Malagasy. Misedra olana amin’ny sehatry ny asa anefa ny tantsaha, raha nanaovana fanadihadiana. Anisan’ny olana eo amin’izy ireo ny […]
INDRAY MIJERY
Vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 1 848 no napetraka eny amin’ny CSB rehetra nanomboka ny taona 2019. 75 fotsiny izany ny 2013 raha efa 2 788 ny CSB manana an’izany ankehitriny. Mbola hitohy ny fametrahana ity fitaovana ity, hoy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. 1/3 ny olona tombanana fa mitondra […]




