Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihama­nana, 100 taona. Hisy ny lahadinika sy fampirantiana momba ity mpanoratra manana ny mampiavaka azy ity, ny 15 jolay manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, eny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. «Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana sy ny anjara birikiny teo anivon’ny Akademia malagasy» ny lohahevitra amin’izany. Sehatra bagasy volana jolay. […]

Raha te handroso… : Mila ihoarana ny « Mitady ny very »

Vanim-potoana tsy ma­nam-piafarana? Mihitsoka ao anatin’ny «Mitady ny very ny Malagasy»? Taona 1896, vao nalain’ny Frantsay an-terisetra ny fahaleovan-tena. Nandalo sy nisongadina be teo amin’ny taona 1960. Nandalo ny 1972… Hatramin’izao, mbola mitady ny very hatrany ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny kolontsaina. Efa mila ihoarana ny «Mitady ny very» […]

Adihevitra literera: Hotarihin’i Sy sy i Liantsoa

“Soratra velo-maharitra sa soratra velona mandrakizay?”. Io ny lohahevitra iompanan’ny adihevitra literera, hotontosaina anio amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, Efitrano Dox. Ny Faribolan’ny poeta sy mpanoratra Sandratra no mikarakara ny fotoana. Hitarika ny adihevitra kosa i Sy sy i Liantsoa. Ny voalohany, mpanao gazety, mpanoratra ary mpanabe an-tserasera; […]

“Festival Dona Be” – Antsohihy: “Harenina ireo lesoka”, hoy i Dadi Love

Efa mipetraka ny anarany ao Antsohihy. Miakatra tsikelikely, ezahina ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny Faritra Sofia sy Antsohihy manokana ny “Festival Dona Be”. Mba tsy ho fandalovana fotsiny ny Faritra. Hiditra amin’ny andiany faha-4. Hotontosaina ny 23 hatramin’ny 26 jolay ho avy izao ny “Festival Dona Be”, ao Antsohihy. […]

Airtel Africa : Ahodina indray ny 94% ny fako

Manana paikady natokana ho an’ny fitantanana ny angovo sy ny fampandrosoana ara – toekarena ny orinasa Airtel Africa, miparitaka aty amin’ny firenena 14 aty Afrika, ary anisany i Madagasikara. Miten­tina 9,1 tapitrisa litatra ny ga­zoala laniny ny taom-piasana 2025-2026. Nambaran’ny tale jeneralin’nyAirtel Africa, Sunil Taldar, fa anisan’ny nahazoana io vokatra […]