Leo ny asan-jiolahy ny fokonolona hany ka lasa tsy te hitsitsy manoloana ny fahatrarana jiolahy manao izany. Ny alin’ny alahady teo, jiolahy iray saron’ny fokonolona nanendaka tao Tsarakofafa. Nanambana antsy raim-pianankaviana iray tratra alina hamonjy fodiana izy. Vokany, na dia niezaka nitsoaka aza ilay jiolahy dia tsy namelan’ny fokonolona fa […]
Auteur/autrice : Adnews
« Circuit Training » 2026 : Lasan’i Faby sy i Nantenaina ny laharana voalohany
Nafana dia nafana ny tao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, nandritra ny fifaninanana “Circuit Training” andiany voalohany, nokarakarain’ny Zaka Rise Mada, ny faran’ny herinandro teo. Nahatratra 80 ny isan’ireo mpifaninana tamin’izany. Nahitana fanazaran-tena maro, toy ny pompes, squats, burpees, sauts sur box (jump box), corde à sauter ary sprints ny fifanintsanana. […]
Pancrace : Handray ady iraisam-pirenena i Madagasikara
Hisy fifanintsanana iraisam-pirenena horaisin’i Madagasikara, amin’ny volana novambra ho avy izao. Efa nisy ny fijerevana an’ireo mpikatroka mendrika afaka hiatrika izany. Raha tsy misy ny fiovana, hampiantrano ady iraisam-pirenena eo amin’ny taranja Pancrace, i Madagasikara, ny volana novambra izao. Nambaran’ny filohan’ny CMPS (Commision malgache de pancrace et submission), ny kolonely Zafindranaivo Mely izany, nandritra […]
Hetsika « Call center » sy « Digital » : Maromaro ireo tanora horaisina hiasa avy hatrany
Hetsika miavaka sy manokana. Efa nanomboka omaly, etsy amin’ny tokotanin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, hatramin’ny zoma izao ny «Salon de la rélation client et des métiers digitals». Nambaran’ny mpikarakara, ZRK, Zina Rakotoseheno, fa hiavaka ity andiany faharoa ity. «Fantatra eo no ho eo na ho voaray avy hatrany […]
Madagasikara – ONU : Tsara sy mihamafy ny fifandraisana ho amin’ny fiaraha-miasa
Nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ny taratasy manendry azy ho solontena maharitra an’ny Repoblikan’i Madagasikara eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) tamin’ny sekretera jeneralin’ny ONU, Sem António Guterres, tany New York, Etazonia, omaly, ny masoivoho Rahajarizafy Lanto. Tamin’ny fihaonana, nampita ny fiarahabana avy amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina […]




