Auteur/autrice : Adnews

Fahasalaman’ny reny sy ny zaza: nanolotra fiara miisa 11 ny Unicef

Natolotra teny amin’ny CHU HJRA, tamin’ity herinandro ity, ny fiara tsy mataho-dalana miisa 11, hanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana avy amin’ny Unicef. «Ham­piasain’ny sampandraharaha misahana ny vaksiny, fahasalaman’ny fianakaviana ary ho an’ny faritra Ihorombe, Atsimo Andrefana, Fitovinay, Diana, Androy ary Analanjirofo ireto fiara vaovao ireto», hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, […]

Vontovorona: nitafa mivantana tamin’ ny mpianatra ny minisitra

Nidina mivantana teny amin’ny sekoly ambony polyteknika Vontovorona ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla. Nankasitraka ireo mpianatra amin’ny finiavana hanatanteraka ireo tetikasa eny an-toerana ny minisitra. Misy ny fanorenana trano misy rihana iray, izay fotodrafitrasan’ny fanjakana, eo koa ny “Atelier LuBan” iaraha-miasa amin’ny governemanta […]

Wednesday Morning Group: vehivavy 15 nahazo mari-pahaizana momba ny zaitra

Taorian’ny fiofanana natao, notolorana mari-pahaizana ireo vehivavy niofana momba ny zaitra teo anivon’ny WMG. Navoaka sy nomena mari-pahaizana tetsy Amba­toroka, omaly, ireo vehivavy 15 niofana momba ny tontolon’ny zaitra teo anivon’ny Wednesday Morning Group (W.M.G). Andiam-pianatra voa­lohany, nampitondraina ny anarana hoe: “Santatra”, izy ireo. Niofana nandritra ny 3 volana, nanomboka […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny masoivohon’i Corée, Park Ji Hyun. Nanamafy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta amin’ny sehatry ny fampianarana ambony ny dinika. Nampa­ha­tsiahy ny vatsim-pianarana hahafahan’ny mpianatra manohy fianarana any Corée ihany koa ity ambasadaoro ity. Nahatohina ireo ray aman-dreny maro ny fisian’ilay trano […]

Datina: vonona hampandroso an’Ambohimanambola

Naneho fahavononana hitondra fampandrosoana An­drianasolo Nofinirina Tinasoa na Datina. Izy, araka izany, no kandidà voalohany ho ben’ny Tanàna nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina eny amin’ny kaominina Ambohimanambola, distrika Avaradrano. Niaraka amin’ireo mpiara-dia aminy sy ireo mpanolotsaina 7, omaly, nanatitra izany. Nilaza ny filohan’ny Ovec fa i Datina mihitsy no kandidà voalohany […]