Auteur/autrice : Adnews

Olona varira : Tokony hisy drafitrasam-pirenena ho fiarovana

Manao antso avo ny hisian’ny drafitrasam-pirenena hiarovana azy ireo ny fikambanan’ny olona manana toe-tena varira. Tena mandry an-driran’antsy ireo olona manana toe-tena varira manoloana ny tsy fandriampahalemana. Efa manana ny soso-kevitra ho amin’izany izy ireo, saingy miandry ny fahavononan’ny ambaratongam-pahefana sy ny fahasahian’ny fanjakana. Amin’izao fotoana, mahatsiaro ho tsy misy […]

EPP Ampapamena (Cisco Soalala) : Nametrahana efitrano fianarana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza

Nitsidika ny distrikan’i Soalala ny minisitry ny Fanabeam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina sy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, Christine Jaulmes, tamin’ity herinandro ity. Distrika nitondra takaitra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia, ny volana febroary lasa teo, i Soalala, indrindra ny fampianarana. Voatery naato ny fampianarana ho an’ny zaza miisa 10 000 noho […]

kitra – Yas Coupe 2026 : Hanao valin’ady ny Disciples FC

Hihaona indray etsy By-pass, ny alahady ho avy izao, mandritra ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, «Yas Coupe 2026», ny Ajesaia Bongolava sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Hanao valin’ady amin’ny klioba an’Antaninkatsaka, amin’io fotoana io, ny ekipa avy any Vakinankaratra. Tsiahivina fa ny Disciples FC izay nahintsan’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Manohana ny fifampiresahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny federasionin’ny Antenimie­ran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM). Mampivondrona ireo mpisehatra ara-toekarena manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny CCI izy. Miantoka ihany koa ny fampandrosoana ireo seha-pihariana samihafa ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Tohanany ny fifampiresahan’ny fanjakana sy ny sehatra […]