Nanana ny akony sahady ilay fahalanian’ny tolo-dalàna hampiasana ny teny malagasy manomboka izao. Iray amin’ireo namela holatra lehibe ilay « fanagasiana » bontolo. Faly sahirana! Azo lazaina ho io no zava-nitranga nanoloana ilay fahalanian’ny volavolan-dalàna manome lanja sy hasina ny teny malagasy, teny amin’ny Antenimierampirenena. Sehatra maro no ampiasana ny teny malagasy […]
Auteur/autrice : Adnews
Angovo : Hiverina ny fanitsiana ny vidin-tsolika
Tapaka taorian’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hiverina ny fanitsiana ny vidin-tsolika. Mety hiova, araka izany, ny vidin-tsolika manomboka amin’ity faran’ny herinandro ity. Tsiahivina fa niditra tamin’ny hamehana ara-angovo isika nanomboka ny volana avrily teo. Fanapahan-kevitra natao mba hampihena ny fiantraikan’ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena eto amintsika. […]
Mondial 2026 : Ekipa afrikanina 4 sisa andrandraina
Mitohy ny faharesen’ny ekipan’i Afrika, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026». Nangoron-damba avokoa ny Lions de la Teranga Senegal, ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ny Leopards RD Congo. Tsy misy afa-tsy ekipa efatra izany sisa antenaina. Tao anatin’ny telo andro, nisesy ny raho-mainty nitatao eo ambony lohan’ny ekipa afrikanina, […]
INDRAY MIJERY
Inona ny mety hiandry antsika mandritra ny taom-pahavaratra 2026–2027? Araka ny fanadihadiana nataon’ny Foibe famantarana ny toetr’andro, mety hitovitovy amin’ny fahavaratra ny taona 1982/1983 ny fikorontanan’ny rotsakorana mandritra ny fahavaratra ho avy. Izany hoe, misy faritra mety ho voakasiky ny tranga mahery vaika toy ny tondradrano na fiakaran’ny renirano mandritra […]
Herisetra amin’ny ankizy : Misy kolontsaina mamohehitra enjehin’ny lalàna
Misy ny kolontsaina tena fandikan-dalàna an-kitsirano ary enjehin’ny lalàna. Anisan’izany ny fampanambadiana zaza tsy ampy taona izay hakan’ny ray aman-dreny vola. Toy ny fivarotana olona ihany izany ary enjehin’ny lalàna. Eo koa ny fomba izay ny rainy niteraka azy ihany no manao firaisana amin’ny zanany voalohany. Tena fomba mamohehitra sy […]




