Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Sambo rendrika an-dranomasina teo anelanelan’Andevoranto sy Vatomandry, afakomaly hariva tamin’ny 7 ora. Tantsambo 12 sy mpandeha 6 avotra soa aman-tsara taorian’ny loza. Niainga avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo LCT Caroline ary nikasa hihazo an’i Taolagnaro, nitondra entana 254 taonina sy olona 18 tao anatiny. Lehilahy iray 19 taona, […]

Raim-pianakaviana voatafika: 4 tapitrisa Ar haterina any amin’ny banky voaroba

Miseholany ny trangana tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Raim-pianakaviana hanatitra vola any amin’ny banky no notafihin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Niseho tao Amboloma­dinika, teo anoloan’ny tranombarotra fivarotana Fave, distrikan’i Toamasina, ny tranga. Miasa amina tranombarotra iray misehatra amin’ny fivarotana kojakoja amin’ny fanaovan-trano ity lasibatra ity. Mpiasa efa […]

Niala fiara tamin’ny sisin-dalana : Mpanao Rallye namoy ny ainy

Tsy tana ny ain’ny mpamily fiarakodia fanta-daza amin’ny taranja mekanika sy ny fakana sary, omaly. Niharan-doza teny amin’ny lalan’Imerinkasinina izy sy ny vadiny, ny alahady 28 jona teo. Namoy ny ainy, omaly, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tamin’iny lalan’Imerinkasinina, teny Tsarafonenana, fokontany Ambatofotsy, kaominin’ Ambohimalaza ny mpamily fiarakodia iray. Mpankafy […]

Pureplay Football League : Tompondakan’i Madagasikara ny CFFA Andoharanofotsy

Efa-taona aty aoriana! Voa­hosotra ho tompondakan’i Madagasikara, Pureplay Foot-ball League (PFL), ny CFFA Andoharanofotsy, ary lasan’ izy ireo ny lelavola 20 tapitrisa Ariary. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Ajesaia Antaninkatsaka, omaly, teny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass. Raha hiverenana ny fifanandrinana teny an-toerana, nanjakan’ny CFFA mihitsy […]