Auteur/autrice : Adnews

CEO Summit 2 : Hetsika ara-toekarena goavana aty amin’ny ranomasimbe Indiana

Hatao ny 9 sy 10 avrily ho avy izao, eny amin’ny Novotel Ivandry, ny fihaonambe ara-toekarena CEO Summit, karakarain’ny Becom sy ny Sen­dikan’ny indostria eto Mada­gasikara (Sim). Lohahevitra noraisina ny hoe, « foto-kevitra vaovao, vina vaovao, sahia mikaroka zava-baovao ho an’ny hoavy ». Fotoana hihaonan’ny mpisehatra ara-toekarena samihafa, ahitana mpitarika, […]

Fikambanan’ny farmasianina eto Madagasikara: Handray ny kongresin’ny FPOI

Handray ny kongresin’ny Federasionin’ny farmasianina matihanina eto amin’ny ranomasimbe Indiana (FPOI), an­diany faha-31, ny fikambanan’ ny farmasianina eto Madaga­sikara (APM). Hotontosaina ny 9 sy 10 avrily, eny amin’ny CCI Ivato, ny fivoriana, iara­hana amin’ny minisiteran’ny Faha­sa­lamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Fampianarana am­bony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Fikambanana mampivondrona ny farmasianin’ny firenena […]

FANTINA sy FINTINA

Norobaina sy nampibabena trosa ny firenena nandritra ny fitondrana Rajoelina, araka ny fanambaran’ireo manampahaizana «  Cercle de réflexion des élites ». Anisan’izany ilay vola 4 000 miliara Ar natsikafon’ny Fitsarana momba ny kaonty. « Eo koa ireo fifanarahana findramam-bola ivelany miisa 13. Trosa tsy nandeha tany amin’ny vahoaka », hoy izy ireo. Tokony […]

Fanendrena mpikambana : Mitaky fanazavana momba ny Ceni ny HVM

Nametraka ny ahiahiny manoloana ny fanendrena ny ho mpikambana eo anivon’ny Ceni ny antoko HVM. Tsy nisalasala ny filoha nasionaliny, Rakotovao Rivo, tamin’ny fanehoan-keviny, afakomaly. Mangataka fanampim-panazavana avy amin’ny Prai­minisitra Rajaonarison Ma­mitiana, na ny tomponandraikitra misahana ny fifidianana ny tenany momba izany. « Manjavozavo ny fomba fa­nendrena mpikambana eo anivon’ny Ceni […]