Misaona ny tontolon’ny taranja handball malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana, ny talata lasa teo tany Toliara, i Debrockay Willy fantatry ny maro amin’ny solon’anarana Ralila sy i Fihenena Parfait. Izy mirahalahy ireo izay samy mpilalaon’ny Asco Toliara. Efa nandrombaka ny tompondakan’i Madagasikara niaraka izy mirahalahy. Hiditra an-tsehatra anio, ireo mpanao judo Malagasy […]
Fanatajahantena
Handball – «Licence D IHF» : mpanazatra 18 miofana
Nanomboka omaly tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana ho an’ireo mpanazatra, eo amin’ny taranja handball. Mahatratra 20 mianadahy ireo miatrika izany avy amin’ny ligim-paritra 7 eto Madagasikara. Mitarika izany ilay manampahaizana frantsay, avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena, i Alain Desserten. Lohahevitra maro no ifantohan’ny fampianarana. Manomboka any amin’ny fomba fitarihina […]
Kitra – Pureplay football league (PFL) : tsy azo jerena ny lalaon’ny 3FB sy ny Fosa Jr
Hiditra amin’ny ampahefa-dalana ny “Play-offs” ireo ekipa 8 hiady izay ho lohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Ankoatra ireo fihaonana telo, tsy azo atrehin’ny mpijery ny lalaon’ny 3FB Toliara sy ny Fosa Jr Boeny. Hotanterahina ny alahady 28 avrily ho avy izao, ny lalao ampahefa-dalana mandroso […]
SOMBIM-BAOVAO
Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Judo, tanterahina any Egypte, ny 24-28 avrily ho avy izao, ny ekipam-pirenena malagasy. Miisa efatra mianadahy, telo vavy, iray lahy izy ireo no efa any. Araka ny fandaharam-potoana, ny fihetsika mirindra “kata” no hanokatra ny fifanintsanana ho an’ireo mpandray anjara. Hotontosaina, anio, […]
Ping-pong- Afrika Atsinanana : norombahin’i Madagasikara ny medaly volamena
Nifarana omaly ny lalao isan-tarika ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, izay natao tany Ouganda, taranja tenisy ambony latabatra “Ping-pong”. Nandrombaka ny medaly volamena tamin’izany ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy lehilahy. Lavon’i Madagasikara, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalao voafantin’i Ouganda, mpampiantrano. Raha hiverenana ny lalao famaranana […]