Araka ny fanadihadiana natao omaly, manana fikasana haka lohalaharana any ivelan’i Madagasikara ny ekipan’ny Elgeco Plus. Efa manana an’i Ismaily, mpilalao kameroney moa ity klioba ity amin’izao fotoana izao, saingy mbola mikasa hanampy olona amin’io toerana io. Tanjona amin’izany ny hahazoan’ny Elgeco Plus, ny anaram-boninahitr’i Madagasikara, ary ny hidirana tanteraka […]
Fanatajahantena
« Rugby Africa Women’s Cup 2025 » : Miomana fatratra ny Makis Ladies
Afaka 15 andro, hiatrika ny fifaninanana afrikanina indray ny ekipam-pirenena, vehivavy, Makis Ladies. Efa manao fanazaran-tena ry zareo, ankehitriny. Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby sokajy vehivavy, ny Makis Ladies. Fihaonana hotanterahina eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny 5 hatramin’ny 16 jona ho avy […]
JJB-Grand Slam: nahazo medaly volafotsy i Andy Rasamy
Fifaninanana iraisam-pirenena anisan’ny nisongadina tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny “Grand Slam”, taranja Jiu-jitsu breziliana, izay natao tany Abu Dhabi. Nanana solontena 3 lahy i Madagasikara nandritra izany ary tsy nitsanga-menatra satria nandrombaka medaly volafotsy ny Malagasy mpikatroka, i Andy Rasamy, teo amin’ny “Men’s Gi/Brown Belt”, sokajy Professionnel, latsaky ny 77 […]
For Good Connexion: baolina kitra hiarovana ny ankizy amin’ny loza
Nifarana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja Synthètique Andohalo, ny “For Good Connexion”. Hetsika ho an’ny niomerika mandray andraikitra, nokarakarain’ny Union des clubs et écoles de foot-ball (Ucef) sy ny Orange Madagascar. Fampianarana ny ankizy hitandrina sy hahafehy ny ora hijerena ny findainy ary antoka amin’ny loza ateraky ny […]
“Orange MPPTOUR 100”: lasan’i Miary Zo sy i Landry, sokajy lehilahy, i Prisca sy Zarah ho an’ny vehivavy
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana tenisy anaty efitrano Padel, “Orange MPPTour 100”. Nanjakan’i Miary Zo sy Landry ny teo amin’ny lehilahy, raha toa ka mbola ry Prisca sy Zarah no nahazo ny medaly volamena ho an’ny sokajy vehivavy. Notanterahina teny amin’ ny Urban Futsal Galaxy Andraharo, ny faran’ny […]




