Fanatajahantena

Aza mampidi-kizo, aza midi-kizo

Niaraha-naheno tamin’ny herinandro lasa teo ny fanambaran’ny fitondram-panjakana fa handray anjara amin’ny lalao afrikanina, hotanterahina any Ghana, ny Malagasy. Fihaonana hotanterahina ny 8 ka hatramin’ny 23 marsa ho avy izao. Nohamafisina ihany koa fa hanohana ireo atleta ny mpitondra amin’izany fihaonana an-tampony eto Afrika izany. Samy velombolo avokoa ny rehetra […]

Rallye – “African Karting Cup 2024”: Laharana fahenina Razafindratsimba Mboara

Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, teo amin’ny karting na ny “African Karting Cup (AKC 2024)”. Tafiditra ao anatin’ny «Top 10 Africain» i Mboara teo amin’ny sokajy OK-N. Tontosa tao amin’ny Zwart­kops Kart Circuit, Afrika Atsimo, ny alakamisy 15 ka hatramin’ny sabotsy 17 febroary lasa […]

Sesam andiany faha-4 : hatao ny 10 hatramin’ny 12 mey izao

Raikitra ny andiany faha-4 amin’ny hetsika Sesam (Sports extrêmes et salon des Arts Martiaux), izay hotontosaina ny 10 hatramin’ny 12 mey izao, ao amin’ny La­pan’ ny fanatanjahantena Maha­ma­sina. Tsy miova ny tanjona, ny hampiroborobo ny taranja “sports extrêmes” sy ny “Arts martiaux” eto Madagasikara ary indrindra ny fanabeazana ireo tanora […]

Ping Pong – «Mondial 2024»: lavon’i Madagasikara i Nigeria

Nahazo fandresena voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tenisy ambony latabatra i Madagasikara, omaly. Resintsika ireo ekipa voafantin’i Nigeria. Notanterahina omaly, tany Busan Korea Atsimo, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany « Mondial 2024 », taranja “ping pong”, lalao iraisana. Tsara ny vokatra ho an’ireo Malagasy mpilalao. Resin-dry zareo tamin’ny isa […]

Ping pong – « Mondial 2024 » : lavon’ny République tchèque i Madagasikara

Notanterahina omaly, tany Busan Korea Atsimo, ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany « Mondial 2024 », taranja “ping pong”, lalao iraisana. Ratsy fanombohana ny Mala­gasy mpilalao tamin’ity fifaninanana ity. Resin-dry zareo République Tchèque tamin’ny isa 3 no ho 1 izy ireo. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, lavon’i Jancarik Lubomir tamin’ny seta 3 no ho 2 […]