Hotanterahina anio sy rahampitso alahady ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Anisan’ny fihaonana hisongadina ny ao amin’ny kaonferansy Avaratra, hifanandrinan’ny Cosfa sy ny Ajesaia. Ekipa efa diso mifankahalala tsara ny roa tonta. Tsy vao izao fa efa imbetsaka nifanandrina. Nifandimbiasana ny […]
Fanatajahantena
Lalao Afrikanina : vonona ny atleta, hanohana ny fanjakana!
Ofisialy! Handray anjara amin’ny lalao Afrikanina, hotanterahina any Accra, Ghana, ny 6-28 marsa, i Madagasikara. Vonona ny atleta, nanome toky ihany koa ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena fa hanohana ny atleta malagasy. Efa fantatra avokoa ireo taranja handraisan’i Madagasikara anjara, amin’ity lalao Afrikanina 2024 ity, izay miisa 11. Ao anatin’izany ny […]
Basikety-“Game of the Future” : niainga omaly ny Malagasy delegasiona
Niainga ny alakamisy 15 febroary, hihazo an’i Kazana Russie, ny Malagasy delegasiona hiatrika ny fifaninanana “Phygital Basketball-Game of the Future”. Mpilalao 4 mirahalahy, ahitana an’i Loubacky Rick-Ley, Rahajaniaina Orlando (Bila), Rakotovao Marco ary Raharisoa Ahamada Ibrahim Aziz, miaraka amin’ny mpanazatra, Rakotonindrina Eli (Ramora) no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Filohan’ny delegasiona […]
«Ligue des Champions 2024» : tsara fanombohana ny ekipa goavana
Notanterahina nanomboka ny talata sy ny alarobia lasa teo ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions (LDC) 2024 », taranja baolina kitra. Nandresy tamin’ny lalao mandroso avokoa ireo ekipa goavana toa an’ny Real Madrid Espagne, ny Manchester City Angleterre ary ny Paris Saint Germain France. Tsiahivina fa […]
Ping Pong – Mondial 2024: hihaona amin’ny Republique Tchèque i Madagasikara
Fandraisana anjara voalohany ho an’i Madagasikara ny fifaninanana iraisam-pirenena “Mondial 2024”, taranja tenisy ambony latabatra. Mpilalao telo mirahalahy no hiaro ny voninahi-pirenena. Hanomboka anio, any Busan Korea Atsimo, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, “Ping pong”, lalao iraisana. Anisan’ ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara, hifanandrina […]




