Hotanterahina androany, any Arabie Saoudite, ny lalao fihantsiana eo amin’ny klioban’ny PSG Frantsa sy ny All Star d’Arabie, fitambaran’ny klioba Arabo, AL Nassr sy Al- Hilal. Anio koa no ahitana ny fihaonan’i Messi, kintan’ny baolina kitra argentine sy i Cristiano Ronaldo, mpanjakan’ny baolina kitra portugal farany. Marihina fa efa niainga […]
Fanatajahantena
Barea Chan : “Handresy an’i Soudan ny tanjona manaraka”, hoy i Rôrô
Fanamby manaraka ho an’ny Barean’i Madagasikara amin’ity Chan 2023 ity, ny handresy an’i Soudan. Araka ny tafatafa nataon’i Rôrô, mpanazatra, tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. “Tsy midika fa hoe haka amboara isika raha nandresy an’i Ghana, saingy mbola hiezaka handavo an’i Soudan no tanjona manaraka. Mba hiakarana amin’ny dingana manaraka amin’ny […]
Rugby – « 6 Nations » : maratra i Woki, mpilalao frantsay
Tsy afaka manao ny fifaninanana “6 Nations” i Cameron Woki, mpilalao frantsay. Dimy andro mialohan’ny fampivondronan’ny ekipa frantsay, nahazo vaovao i Fabien Galthié, mpanazatra ny XV de France fa maratra i Woki. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera omaly, haharitra fito herinandro vao ho sitrana ny lehilahy. Raha hiverenana […]
Handball – “IHF Trophy U20”: resin’i Nizeria indray ny Akio de Madagascar
Mbola ratsy hatrany ny vokatra ho an’ny ekipa malagasy, tamin’ny “IHF Trophy continental” Afrika ho an’ny sokajy U20 lehilahy. Taorian’ny nandavoan’i Rwanda ny Akio tamin’ny isa 50 no ho 29, ny alatsinainy lasa teo, mbola resin’i Nigeria tamin’ny isa 50 no ho 30 indray izy ireo, omaly. Araka ny vaovao […]
Barea Chan : tafatafa nataon’ireo mpamono baolina
Rakoul, mpilalao namono baolina voalohany ho an’ny Barea Chan : “Faly ny tenako satria anisan’ireo mpilalao namono baolina voalohany, tamin’ny fandraisan’anjaran’ny Barea voalohany tamin’ny Chan 2023. Tombony ho anay teo ambony kianja ny fifankatiavana sy ny firaisankina. Tanteraka koa ny nofinay, naharesy izahay. Faly ny tenako mandray anjara amin’ny Chan, efa […]