Hotanterahina ny 23 febroary hatramin’ny 5 marsa 2023 izao any Maorisy, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7 (CCC Zone 7), taranja Volley-ball. Vonona ny solontena malagasy, izay ahitana ekipa 4 (3 vehivavy ary 1 lehilahy), rehefa neken’ny Kaonfederasiona afrikanina ny fandraisan’anjaran’ny Bi’As. Araka izany, ny Stef’Auto […]
Fanatajahantena
Rugby vehivavy – «Can 2023» : mpilalao 42 hiatrika fampivondronana
Hiditra amin’ny fanomanantena, hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2023), taranja rugby lalaovina olona 15 ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy. Mpilalao 42 mirahavavy no hiatrika ny fampivondronana, manomboka ny asabotsy 21 janoary ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Saika mbola voatazona ao anatin’ireo nantsoin’ny mpanazatra, […]
HandBall – IHF Trophy U20 : resin’i Rwanda ny Akio de Madagasikara
Tsy dia tsara ny vokatra teo amin’ny lalao voalohany amin’ny fifaninanana “IHF Trophy continental U20” Afrika , ho an’ny Akio Madagasikara. Lavon’i Rwanda tamin’ny isa 43 no ho 27 izy ireo, tany Congo, ny omaly. Ratsy fanombohana ny ekipa malagasy, tamin’ ny “IHF Trophy continental” Afrika ho an’ny sokajy U20 […]
Kitra any ivelany: taitra tamin’ny tenin’i Pep Guardiola ny rehetra
Taorian’ny nandavoan’ ny ekipan’ny Manchester United, tamin’ny isa 2 no ho 1, an’ny Manchester City, tamin’ny “Premier League”, namoaka vava i Pep Guardiola, mpanazatra ny Man City, ny asabotsy lasa teo. Nilaza izy fa “efa azonay daholo ny amboara rehetra taty Angletera ka tsy olana aminay intsony na mandresy izahay […]
Fetiben’ny basikety Analamanga : misokatra ny taom-pilalaovana 2023
Miisa 48 ireo klioba eto Antananarivo, tonga nanatrika ny fetiben’ny Basikety teny Mahamasina, ny asabotsy lasa teo. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, nandritra io fety io mantsy ny taom-pilalaovana 2023. Araka izany dia nisy ireo lalao famaranana ny taona 2022, teo amin’ny sokajy U19 vehivavy sy lehilahy ary ny N1B. Voahosotra […]