Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara. Nodimandry, omaly tolakandro Andriamananjara Livamalala, mpampahalala vaovao ao amin’ny fahitalavitra Viva. Tampoka ny fahafatesana nahazo an’Itompokolahy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpiara-miasa aminy. Mbola niasa izy ny maraina, no nanambara ho te hatory. Niera ny hody izy ary nisakafo tao anaty tranom-pivarotana […]
Fanatajahantena
Motocyclisme : nankatoavin’ireo ligy ny fitantanan’ny FMAM
Notanterahina teny Ambohidahy, ny sabotsy 1 avrily lasa teo, ny fivoriambe ara-potoana (AG) nataon’ny Federasiona malagasin’ny Motocyclisme. Nahazo fankatoavana na “Quitus 100 %” tamin’ireo ligy roa amin’ny telo misy ao amin’ny FMAM, Analamanga sy Vakinankaratra ny fitantanan-dRazafimahefa Tsirava, filohan’ny FMAM teo aloha, nandritra ny tatitry ny zava-bitan’ny Federasiona, ny taona […]
Rallye Terre des Causses : tsy nitsanga-menatra i Faniry
Anisan’ireo nisongadina, tamin’ireo niatrika ny dingana voalohany amin’ny Clio Trophy, amin’ny Rallye Terre des Causses, notanterahina tany Frantsa, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, Rasoamaromaka Faniry. Tafiditra tao anatin’ireo 10 voalohany mantsy ny tovolahy, niaraka tamin’i Baptiste Langlois. Na izany aza, nandalo fotoan-tsarotra izy satria tojo olana mekanika tao […]
Judo: hiatrika fiadiana ny ho tompondaka eran-tany i Laura
Mitohy ny lalana ho an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, amin’ny fiatrehana fifaninanam-pirenena. Fifaninanana goavana maro no mbola hatrehany, hahazoany ny tapakila amin’ny lalao olympika 2024. Taorian’ny nandrombahany medaly volamena 3 sy alimo iray, nandritra ny “Open de Tunis” sy “Coupe d’Afrique d’Alger”; mbola hisy koa ny “Open de Luanda”, hifaninanan’i Laura, […]
Basikety: mpitsara 38 nahavita fiofanana
Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny fiofanana ho mpitsara, andiany «Taratra», nokarakarain’ny ligin’Analamanga, taranja basikety. Mpiofana 38 mianadahy, 10 ny vehivavy, no nisitraka izany fampiofanana izany ary nahazo mari-pankasitrahana. Nizara sokajy roa izy ireo, ka nisy ireo tanora na «Jeunes arbitres» miisa 10 ary mpitsara zokiny kosa ny ambiny. Tafiditra […]





