Fanatajahantena

« Tennis Tour Juniors » J-30: norombahin’ny Malagasy avokoa ny amboara rehetra

Nanjakan’ny Malagasy ny dingana faharoa tamin’ny « Tennis Tour Juniors” J-30, ho an’ny sokajy zandriny. Lasantsika avokoa ny amboara rehetra niadiana tamin’izany. Niavaka anefa ny pao-droa vitan’i Mirija, sokajy lehilahy. Nifarana ny sabotsy teo, teny amin’ny Kianja Club Olympique de Tana­narive (COT) Ilafy, ny dingana faharoa amin’ny “Tennis Tour Junior” J-30. […]

Sombim-baovao

Ho fampandrosoana ny fanatanjahantena any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, nisy ny fihaonan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) tamin’ireo solombavambahoaka avy any amin’iny Faritra iny, ny talata lasa teo, teny Ambohijatovo. Tapaka nandritra izany ny hanamboarana fotodrafitrasa manara-penitra any amin’ireo distrika mbola tsy nisitraka izany. Eo ihany koa ny […]

Beach Volley-Mada: nisongadina ny ekipan’Atsinanana

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, Beach volley. Nisongadina ny ekipan’ Atsinanana, na teo amin’ny vokatra izany, na teo amin’ny isan’ny mpandray anjara. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy lehilahy, i Anthonio sy i Hasina izay nandresy an’i Nico sy i Willot, tamin’ny seta […]

Rugby – “WXV III” : resin’i Hong Kong ny Makis Ladies

Lavon’ny ekipan’i Hong Kong, tamin’ny isa 38 no ho 7, ny Makis Ladies, omaly, tao amin’ny kianja Sevens Stadium, Dubaï. Tsiahivina fa tafiditra amin’ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondaka ma­neran-tany amin’ny taranja rugby, “WXVIII”, sokajy vehivavy, ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Teo amin’ny fizaram-po­toana voalohany, nanjaka tanteraka ny ekipan’i […]