Fanatajahantena

Lalao Echec : Nanao zaikabe ny ligin’Analamanga

Iray volana taorian’ny nitsanganan’ny ligin’Anala­ma­nga, taranja Echec, nanatanteraka zaikabem-paritra tetsy amin’ny Lycée JJ Rabearivelo Analakely izy ireo, ny sabotsy lasa teo. Dinika niantsoana ireo mpilalao, raiamandreny ary ireo rehetra misehatra ao anatin’ity lalaon-tsaina ity. Tanjona, raha ny nambaran-dRaharimanana Faratina, filohan’ny ligy, ny hiainoana sy handraisana ny hetahetan’ny tsirairay ka hitadiavam-bahaolana […]

Rugby lalaovina olona 7 : Mijanona D3 ny Makis an’i Madagasikara

Tsy tratra ny tanjona ho an’ny Makis an’i Madagasikara, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Laharana fahadimy ny Makis ary mijanona ao amin’ny diviziona fahatelo ihany amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Nifarana omaly, tao amin’ny Sevens Stadium, Dubai, ny fiadiana ny ho tompondaka […]

SOMBIM-BAOVAO

Tsy handray anjara sy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny taranja baolina kitra « PFL » amin’ity taona ity, ny AS Fanalamanga. Mbola mipetraka baraingo ny tena antony nahatonga azy ireo tsy hanao saingy raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny klioba dia ilay mpitantana vaovao eo anivon’ny orinasa no […]

Oniversite – Ma-hery Futsal: Hahazo 2 tapitrisa Ariary izay ho tompondaka

Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny 22 febroary hatramin’ny 1 marsa ho avy izao, ny fifanin­tsanana baolina kitra ho an’ireo mpianatra eny amin’ny Oniversite, “Ma-hery Futsal”. Araka ny fanazavana azo ta­min’ny tomponandraikitra, Fief Mada, omaly, tetsy Analakely, hisy ny lelavola 2 tapitrisa Ariary hatolotra ho an’ny ekipa izay ho […]

« World Cup 3×3 »: Vonona ny ekipa Mlagasy

Anatin’ny fiomanana amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, ny ekipa malagasy, Ankoay lahy sy vavy. Efa fantatra rahateo ny firenena hifanintsana amin’i Madagasikara ka hahafahana mahita sahady izay mety ho fizotran’ny lalao. Na eo amin’ny sokajy lehilahy na ny sokajy vehivavy, samy hifanintsana amin’ny Malagasy ny ekipan’i Etazonia, […]