Hotanterahina anio 11 avrily, any Maorisy, ao amin’ny Kianja mitafo Phoenix, ny fifaninanana Muay thai Gala “Queen of the Ring”. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana solontena hiaro ny voninahi-pirenena. Malagasy mpikatroka roa vavy no efa any an-toerana hiatrika izany. Misy an’i Faniriantsoa Voary, eo amin’ny sokajy Senior […]
Fanatajahantena
Rugby – Federal 2 : Hangotraka ny ampahefa-dalana
Hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny dingana ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy “Federal 2”. Hangotraka ny fihaonana satria adin’ny samy andrarezina. Anisan’izany ny fihaonan’ny JSTA Ambondrona sy ny FTAT Anosibe. Adin’ny samy kartie ny azy ireo. Samy manana ny fahaiza-manaony ny roa tonta izay misy mpilalao […]
Handball – «Mada Jeunes» : Nanao pao-droa ny ekipa avy amin’ny ligin’Ihorombe
Tsara famaranana ny ligin’Ihorombe teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy “cadet” sy “junior”, lahy sy vavy. Norombahin’izy ireo ny amboara roa niadiana tamin’izany. Nifarana omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, taranja handball, lahy sy vavy. Nisongadina ny ekipan’ny ligin’Ihorombe izay […]
Handball Mada Jeunes : Resin’ny HBCI ny HTHB Atsinanana
Voahaja ny lojika teo amin’ny vokatra ho an’ny lalao manasa-dalana, sokajy cadette, fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja handball. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly. Resin’ny HBCI Ihorombe tamin’ny isa mazava, 37 no ho 12 ny HTHB Atsinanana. Tsy niady mihitsy ny lalao fa nanjaka tokana ireo mpilalaon’Ihorombe. Tombony […]
Maître Kelly : Mangataka roa taona hanarenana ny kick-boxing
Nitondra ny taranja kick-boxing teto Madagasikara Rasoanaivo André Kelly, fantatra amin’ny anarana hoe Maître Kelly. Manana hetaheta hitondra fanavaozana eo amin’ity taranja ity ny tenany. Naneho ny hetahetany amin’ny tokony hitondrana fiovana eo amin’ ny taranja kick-boxing ny Maître Rasoanaivo Andre Kelly. Izy no nitondra ity taranja ity teto Madagasikara, […]





