Niatrika fifaninanana iraisam-pirenena teo amin’ny taranja Muay thai, ny Malagasy mpikatroka roa vavy, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra “ceinture” iray nody izy ireo. Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy, niatrika ny fifaninanana “Queen of the king” taranja Muay thai, natao ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kianja mitafo Phoenix, tany Maorisy. […]
Fanatajahantena
Rugby – Federal 2 : Resin’ny RCSA tamin’ny moka fohy ny 3FAI
Tontosa tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, omaly alahady ny ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Federal 2, taranja rugby. Tafita hiatrika izany ny Rosa Club de l’Imerina, ny FTAT sy ny RCSA Anosibe ary ny CRAI Ambalavao Isotry. Niady avokoa ny fihaonana. Anisan’ny tena nampitsanga mitoetra ny an’ny Stade sy […]
Fiba 3×3 Hengqin: Laharana faha-13 ny Ankoay Madagasikara
Fandresena iray sy faharesena iray no azon’ny Malagasy, nandritra ny fiadiana ny Hengqin Challenger 2026, taranja basikety lalaovina olona 3. Laharana faha-13 tamin’ny 16 nifaninana ny Ankoay. Nifarana omaly tao amin’ny kianja mitafon’ny Hengoin Cultural and Art Center, Chine, ny fiadiana ny Fiba 3×3 Hengqin Challenger 2026. Teo ho eo […]
Kitra – Pureplay football league : Resin’ny Uscafoot ny Disciples FC
Tsy voahaja ny lojika teo amin’ny andro faha-12 hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na ny Pureplay Football League (PFL). Resin’ny Uscafoot ny Disciples FC ho an’ny kaonferansy atsimo. Nitranga ny tsy nampoizina teo amin’ny vokatry ny andro faha-12 hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra Pureplay […]
SOMBIM-BAOVAO
Mpitsara vehivavy, amin’ny baolina kitra miisa 28 manaraka fiofanana «cours Ma Feminin», tanterahina eto Antananarivo, izay nanomboka ny 8 avrily lasa teo. Mitarika izany, ilay kamerone Raphael Evehe Divine, Instructeur technique sy ilay tonizianina, Maroua Hannachi Instructeur Physique. Haharitra hatramin’ny alahady 12 avrily ho avy izao, izany.





