Ny fandalovan’ny rindrin-drahona no hamaritra ny toetry ny andro any amin’ny Faritra atsimon’ny Nosy. Varatraza malefaka kosa ho an’ny any an-kafa. Tombanana hahazo vahana kokoa ny varatraza eto Madagasikara, manomboka ny alakamisy ho avy izao. Misy ny fampitandremana noho ny haavon’ny alondrano sy ny hamafin’ny rivotra, manomboka ny alarobia ho […]
Fiaraha-monina
Bakalorea antananarivo 2026 : Niakatra ho 51,74 % ny taham-pahafahana
Niakatra 4, 25% ny taham-pahafahana fanadinana bakalorea ho an’Antananarivo raha mitaha amin’ny vokatra ny taona 2025, araka ny fanambaran’ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Pr Randrianasolo Rivoarison, ny faran’ny herinandro teo. 51, 74,% ny taham-pahafahana ankapobeny ; 69,66% ho an’ny fampianarana teknika. Ny sokajy L : 70,92%, manana ny taha ambony indrindra. Ny […]
Belo sur Tsiribihina : Nahazo trano fandidiana
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny trano fandidiana sy trano fitobian’ny marary avy nodidiana ho an’ny CHRD Belo sur Tsiribihina. Dingana lehibe iray ho fanatsarana sy fanamafisana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny mponina izany. Hanampy amin’ny fanakaikezana ny fitsaboana ara-pandidiana sy ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo […]
Tetikasa fampidirana rano madio fisotro : Tokantrano 10 000 hisitraka izany ho an’ny dingana voalohany
Tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny orinasa Jirama ny famatsiana rano amin’ny sarany mora. Laharam-pahamehana ireo toerana marefo ka amin’ny vidiny mirary 30 000 Ar ny fametrahana ny kojakoja rehetra ilaina. Ahitana compteur, fantsona, robinet. Nanatanteraka fidinana teny amin’ny fokontany Tanjombato Iraitsimivaky sy Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, ireo tomponandraikitra […]
Faritra Itasy : Notohanana ny zokiolona sy ny manana fahasembanana
461 ireo zokiolona manana karatra maha mpikambana nisitraka tantsoroka ara-tsakafo sy ara-pitaovana tamin’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, omaly, tao Itasy. Nizara mivantana izany ny minisitra Rakotoniaina Voahanginirina Cathia. Ankoatra izay, olona manana fahasembanana miisa 22 ihany koa no nizarana fanampiana, nahitana fitaovan-dakozia sy milina fanjairana. Tanjona ny hanamafisana […]




