Fiaraha-monina

Fondation Axian: Arifomba ny kianja ho an’ny CEG Antanimbarinandriana

Notokanana omaly ny kianja fanaovana fanatanjahantena marolafy ao amin’ny CEG Antanimbarinandriana. Fiaraha-miasa amin’ny Fon­dation Axian, ao anatin’ny tetikasa « Mihetsika Mvola » no nahafahana namita ity fotodrafitrasa ity. Ankoatra ny kianja, nasiana toerana manokana hahafa­hana misolo akanjo mialoha sy aorian’ny fanatanjahantena ihany koa mba handrisika ny vehivavy hiantsehatra amin’ izany. […]

Zaikaben’ny tanora ho an’ny fahitsiana: Hanomboka anio, eny Ankatso

Hanomboka anio, haharitra roa andro, ny zaikabem-pirenen’ny tanora ho an’ny fahi­tsiana. Andraisan’ny tanora manerana ny Nosy anjara izany, izay hotanterahina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), tohanan’ny fikambanan’ny Firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay (OIF) ary ny Konfederasionina soisy no mi­karakara ny hetsika. Ao ana­tin’ny fanatanterahana […]

INDRAY MIJERY

Tanterahina ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fikaonandoha momba ny CMH. Mifantoka amin’ny fandinihana sy fampahafantarana ny andraikiny eo anivon’ny fiarahamonina izany. Tanjona ny hananganana renivohitra madio, salama ary mendrika amin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny kaominina sy ny mponina. Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana Science Hackday, andiany faha-11. Namolavola tetikasa […]

« Grand salon de la santé » : Hanomezana tolotra ara-pahasalamana

Mikarakara hetsika ara-pahasalamana maro ny Lion’s Club Antananarivo Santatra New Century sy ny Leo Club Antananarivo Mitantsoa, miaraka amin’ny SR event sy ny groupe Infinity. Ny sabotsy sy ny alahady no hanatanterahana izany, eny amin’ny Parvis Analakely. “Tsy voafetra ny olona andrasana fa ho voaray daholo ireo tonga manatona mandritra […]

Fanofanana niomerika : Hiara-hiasa ny Orange Madagascar sy ny METFP

Ho fanatsarana ny fisitrahan’ny tanora fiofanana arakasa sy ny fahaiza-manao niomerika eto amintsika, hiara-hiasa ny orinasa Orange Madagascar sy ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Nifampidinika momba ny tohin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, tamin’ity herinandro ity, ny minisitra Andriamampandry Todisoa Manampy sy ny talen’ny fifandraisana sy ny […]