Nanao tatitra ny faritra Analamanga fa mandeha tsara ary miasa haingana ireo orinasa manao ny asa fametrahana pavé ny lalana eny Ambohimiadana, Manjakandrina. 80 % ny asa no vita ankehitriny. Ny Faritra Analamanga dia mitaky hatrany kalitao tsara amin’ ireo asa izay sahaniny. Maneho hatrany ny fialantsiny noho ny fanelingelenana […]
Fiaraha-monina
Ambositra : Kaominina 11 nahazo Vatsin’ankohonana
Mitohy ny tetikasa Vatsin’ ankohonana any amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Kaominina 11, anatin’ny distrikan’ Ambositra nizarana izany niaraka tamin’ny Tosika fihariana. Olona miisa 9 500 no nahazo tombony tamin’ny fisitrahana ny Vatsin’ankohonana tamin’ity andiany ity. Natao hanohanana ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany ny Vatsin’ ankohonana. Ankoatra izay ny […]
Ady amin’ny famarinan’olona : mpitarika 6 miofana any Etazonia
Malagasy sy Kaomoriana 6 mianadahy mpitarika no voafantina handray anjara amin’ny programa International Visitor Leadership Program (IVLP) 2024 izay miompana amin’ny ady amin’ny famarinan’olona. Niarahaba manokana ny ezaka sy fanoloran-tenan’izy ireo, amin’ity sehatra ity, ny masoivoho Amerikanina, Claire Pierangelo, nandritra ny tafatafa fanomanana ny dian’izy ireo. Hitety fanjakana 4 any […]
Oniversiten’Antananarivo : niverina nianatra ny mpianatra, hirosoana ny famahana ny olana
Tony ny onja ho an’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Ankatso. Manaiky ny fandaminana ny mpianatra. Miroso amin’ny famahana ny olana ny minisitera mpiahy. Niravona ny disadisa teo amin’ny mpianatry ny oniversite sy ny tomponandraikitra rehefa natao ny fifampidinihana. Nitsahatra omaly, ny fitokonana ary hanaraka ny fandaminana ny mpianatra. Nanaiky ny vatsim-pianarana 3 […]
Acmil Antsirabe : hatsaraina ny fampiofanana
Nifarana ny zoma 3 mey teo, ny atrikasa niompana tamin’ny fanatsarana ny politikam-piofanana arahin’ireo miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy. Tanjona tamin’ny fanatanterahana io atrikasa io “Tafika moderina”, afaka hanatratra ny fanamby sy hanakatra ny lenta izay tsy mena-mitaha amin’ny firenen-kafa manomboka izao ka hatramin’ny taona 2030. Lamina maty paika sy […]