« Tokony ho fantatsika fa tsy ny zaza ihany no mety ho voan’ny aretina lefakozatra fa na ny olon-dehibe koa aza. Misy karazany ny aretina lefakozatra izay mitovy amin’ny coronavirus ihany. Misy olona salama mandehandeha nefa mitondra sy manaparitaka ilay aretina », hoy ny fanazavan’ny Dokotera Manitra Rakotoarivony avy ao amin’ny minisiteran’ny […]
Fiaraha-monina
Seces nasionaly: tsy mbola ho vita ny taom-pianarana 2022-2023
Mirazotra amin’ny hairanty ho fampahafantarana ny lalam-piofanana rehetra, anatin’ny fakiolte eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny fitohizan’ny hetsiky ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, anatin’ny sendikà ivondronany. Nitondra teny ny sekretera jeneralin’ny Seces nasionaly, ny profesora Rasolomampiandry Gilbert, araka ny tapaky ny fivoriambe ara-potoana. Nanamafy izy fa tsy ho tontosa amin’ity taona […]
Fampianarana teny anglisy: hanampy hampianatra eny amin’ny oniversite ny profesora Robert Emigh
Manana tombony ny oniversiten’Antananarivo amin’ny fandalovan’ny manam-pahaizana manokana momba ny teny anglisy izay manamafy ny fampianarana ao an-toerana dia i Robert Emigh. Nampahafantarin’ny masoivoho amerikanina omaly, ny fiverenan’ny profesora Robert Emigh eto Madagasikara indray, hanamafy ny fampianarana teny anglisy eny amin’ny oniversite. Hisantatra ny taona faharoa amin’ny maha English Language […]
CUA-Hetsika manakaiky vahoaka: olona 400 nizaha fahasalamana teny Avaradoha
Mitohy hatrany ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ny mponina eny anivon’ny fokontany manerana ny boriborintany enina. Nanomboka ny talata lasa teo hatramin’ny omaly, nisitraka izany ireo mponina avy ao amin’ny fokontany Avaradoha, anatin’ny boriborintany fahatelo. Nahitana ireo tolotra toy ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny; fitiliana diabeta; […]
Fanafarana menaka: afaka amidy hatrany amin’ny 6 000 Ar ny litatra
Nanao tatitra ny fivoaran’ny rahararaha mikasika ny fanafarana menaka ataon’ny orinasa DMC indray omaly, ny mpisolovava, Ramaroson Tantely sy Ravonjiarivelo Victorine ary Andriamparanirina Fanaja, tetsy Ampahibe . Eny amin’ny fitsarana fandravana ny raharaha amin’izao fotoana. Miaina am-pitaintainana ny olona arovan’izy ireo noho ny antony maro. Afaka mivarotra menaka hatramin’ny 6 […]