Fiaraha-monina

Oniversitem-panjakana enina : Notoloran’ny Koreanina fitaovana informatika

Notontosaina omaly, teny Fiadanana, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fanjakana koreanina ho fanatsarana ny fampianarana niomerika. Nanolotra fitaovana informatika mitentina 400 ­ 000 dolara ho an’ny oniversite enina eto Madaga­sikara ny masoivoho koreanina miasa eto Madagasikara, omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fam­pi­anarana […]

IPM : Nohamafisina ny fahaizan’ny ekipan’ny BMH

Nanao tatitra ny fampiofanana nomena ny ekipan’ny BMH Isotry ny Institut pasteur de Madagascar (IPM). Tamin’ ny alalan’ny sampana virologie no nanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo matihanina mpandrakitra ireo fahafatesana vo­katry ny aretin’ny taovam-pisefoana mahery vaika tao an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny fa­naraha-maso ny gripa sy ireo tsimokaretina hafa amin’ny taovam-pisefoana mety hiteraka […]

Aretina bilarziozy : Ilaina ny fifehezana ny fitiliana

Notanterahina tao Ampefy, ny herinandro lasa teo, ny fampiofanana manokana momba ny fitiliana amin’ny alalan’ny mikroskopy ny aretina bilariziozy sy géohelminthiases. Mpiofana valo, voafantina, no nomena traikefa. Singa miisa 760 no nodinihina tsirairay tao anatin’izany. Fiofanana mirindra sy fanaovana fampiharana mihitsy no natao. Nisy ny masontsivana sy tomban’ny ezaky ny […]

Toamasina : Lany ny tolo-kevitry ny mpanatanteraka hampiditra bus

Efa manomboka ny fanamboarana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Hampiasa izany koa ny bus fitateran’olona amin’ny sarany zakan’ny daholobe. Manoloana ny fampiakaran’ireo mpitatitra amin’ ny bajaj sy ny posy ny saran-dalana efa ho 2 000 Ar – 3 000 Ar, nolanian’ny filankevitra kaominaly ny tolo-kevitry ny mpanatanteraka anivon’ny Fia­didian’ny kaominina. […]

INDRAY MIJERY

Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity ny fanombohan’ny tetikasa Tomady, izay dingana vaovao ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Haharitra telo taona ny tetikasa, hiompana amin’ny fandefasan-kafatra eny anivon’ny haino aman-jery fa eo koa ny fampiasana ireo fitaovana hafa toy ny “radio carte” audio sy vidéo, ahafahana manatratra ny toerana tsy […]