Feno 99 taona omaly, ny fikambanana Tily eto Madagasikara ary hankalaza ny jaobily faha-100 taona amin’ny taona 2024. Misy ny fandaharana manokana entina hanamarihina ka hanomboka ny 27 janoary 2024 eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ho an’ny eo anivon’ny nasionaly. Samy hikarakara hetsika koa ny faritany tily […]
Fiaraha-monina
Fampianarana teknika : nampahafantarina ny fandaharam-pianarana vaovao
Miroso amin’ny fanavaozana goavana eo amin’ny sehatry ny fampianarana i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tanjona ny hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Nisy atrikasa fampahafantarana ireo fandaharam-pianarana sy lasi-panofanana vaovao nokarakarain’ny Direction de l’enseignement technique et de la formation Initiale (DETFI), nandritra ny roa andro, teny Antaninarenina, […]
Faritra Analamanga : nisongadina ny fanamboaran-dalana sy fotodrafitrasa
Niompana tamin’ny fanamboaran-dalana sy ny fananganana fotodrafitrasa ny faritra Analamanga tamin’ity taona ity. Nisongadina ny vokatra. Hijery manokana ireo tantsaha izy ireo amin’ny taona ho avy. Nanao tombana ny zava-bita ho an’ity taona 2023 ity ny governoran’ny faritra Analamanga, mpisolo toerana, Ratsiharovala Ramesy Mbola, omaly. Amina kilometatra ny fanamboaran-dalana vita. […]
FAHATAPAHAN’NY LALANDRA : «Olona iray isaky ny adiny 8 no tratrany»
Miresaka mahakasika ny fahavakisana na fahatsentsenan’ny lalandra (AVC) ny dokotera Razafimahefa Julien, manam-pahaizana manokana momba ny fo sy ny lalandra, ao amin’ny hopitaly Befelatanana. Nolazainy fa olona 1 isaky ny adiny 8 no tratran’ny AVC eto Madagasikara. Izay no voarakitra eny anivon’ny hopitaly fa mbola misy anefa ireo olona mijanona […]
Rotsakorana: ampitandremina ny afovoantany
Ambany ny tsindrin’ny atmosfera eto Madagasikara amin’ity herinandro ity, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Hisitraka orana ny faritra maro ankoatra ny any Atsimo sy Atsimo Andrefana. Hahazo vahana kosa ny oram-baratra ho an’ny faritry ny afovoantany, anio. Mila miomana amin’izany ny rehetra tsy maintsy hivoaka […]





