Fiaraha-monina

Sekoly tsy miankina : tsy mahatratra 50% ny nahavita fisoratana anarana

Sanganehana ireo talen-tsekoly manoloana ny isan’ny ray aman-dreny nanoratra ny zanany hiditra an-tsekoly ho an’ny taom-pianarana vaovao. Mihamihena isan-taona ireo mahafeno fepetra nefa ny hofan-trano sy ny karaman’ny mpampianatra tsy maintsy efaina. Roa andro mialohan’ny fotoam-pidirana amin’ ny taom-pianarana vaovao 2023-2024, mbola vitsy ny ray aman-dreny nahavita ny fisoratana anarana […]

CPTPM : feno 43 taona ny vondron’ny manana mari-pahaizana ambony indrindra

Nanamarika ny faha-43 taona nijoroany teny Ivato, ny talata teo, ny fivondronamben’ny manana mari-pahaizana ambony indrindra eo anivon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika eto Madagasikara (CPTPM). Ha­haritra 3 andro ny fanamarihana izay handinihana lohahevitra marolafy. Vaindohan-draharaha amin’izany ny fanarenana ny fampianarana ambony izay latsaka an-katerena ankehitriny. Hivoaka amin’ny fehin-kevitra […]

Mpianatry ny ENS : fifanarahana arak’asa 814 hozaraina

Navoakan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny momba ny fifanarahana arak’asan’ireo mpianatra nivoaka avy ao amin’ny Ecole normale supérieure (ENS) nangataka hiditra amin’ny asa fampianarana eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalazany fa 814 ny fifanarahana arak’asa sy ny didim-pitondrana vita, 39 mbola eo anivon’ny «contrôle financier», 19 nahitana tsy fahatomombanana, 54 fitarainana, 24 […]

Fivorian’ny OMS Afrika : nisongadina ny tsy fahampian’ny “paramédicaux”

Maneran-tany mihitsy ny tsy fahampiana “paramédicaux” miasa eny amin’ny tobim-pahasalamana. Izy ireny indrindra anefa no tena akaiky ny marary sy mikarakara azy ireo. Nanomboka ny alatsinainy lasa teo, ary haharitra hadimiana ny fivoriana faha-73 tontosain’ny vaomieram-paritry ny Sam­pan­draharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) aty Afrika, tanterahina ao Botswana. Hozaraina […]

Iray volan’ny aretina Alzheimer : mila tohana ireo ankohonana manana marary

Volana eran-tany iresa­hana ny aretina alzheimer ny volana septambra. Hanatan­teraka dinika tora-po natokana ho an’ireo fianakaviana nitaiza na mitaiza ny havany, voan’ny aretina Alzheimer na ny are­tina mitovy amin’izany ny fi­kambanana Masoandro mody, ny 2 septambra izao, eny amin’ ny foiben’ny fikambanana eny Mahazoarivo. Natao hitsinjovana indrindra ireo fianakaviana misedra […]