Sahiran-tsaina ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ ny kaominina ambanivohitra Antsapanana, disitrikan’ i Brickaville, amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra, taom-pianarana 2023-2024 izao. Betsaka amin’ireo mpianatra eny anivon’ ny CEG anatin’ny kaominina ambanivohitra Antsapanana no milaza amin’ny ray aman-dreniny fa tsy hiverina an-tsekoly intsony. Voalazan’ny ray aman-dreny maromaro fa nitovy avokoa ny […]
Fiaraha-monina
Olan’ny oniversite : miantso fifampidinihana sy fifanomezan-tanana ny Mesupres
Tsy mbola tena tony ny eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Miantso fifanatonana eo amin’ireo tomponandraikitra mahefa ny Mesupres hisian’ny filaminana sy hampandroso ny fampianarana. Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres) ny alatsinainy teo, tamin’ny alalan’ny sekretera jeneralin’ny minisitera, manoloana ny zava-nitranga teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny herinandro teo. […]
Autisme Madagascar : hanangona ny mombamomba ireo « autiste »
Hanangona ny mombamomba ireo olona manana toe-tena «autiste» na zaza na ankizy na olon-dehibe manerana ireo masoivoho sivy misy ny fikambanana ny Autisme Madagascar, araka ny fizaram-baovao nataony. Tanjona ny hahazoana lisitra ahafahan’ny fikambanana mangataka amin’ny fanjakana ho tafiditra anatin’ireo mpisitraka ireny karazana fandaharanasa momba ny fiahiana ara-tsosialy ireny. Manentana […]
Luxury Anosiala : mampiofana zaitra avo lenta
Nidina ifotony tao amin’ny orinasa Luxury ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Vavitsara Rahantanirina Gabriella, ny faran’ny herinandro teo. Miavaka amin’ny fahaizany manao zaitra avolenta efa 23 taona ny orinasa Luxury. Manam-pikasana ny mpanorina hamindra ny fitiavana ny tontolon’ny zaitra sy ny famoronana. Antony nanokafan’izy ireo ny […]
Ankazobe : nisitraka jiro sy moto ireo kaominina miisa 15
Nahazo fampitaovana avy amin’ny fitondram-panjakana ny any amin’ny distrikan’Ankazobe. Tafiditra amin’ny fampandrosoana ny eny ifotony sy manakaiky vahoaka izany. Nahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy moto avy amin’ny faritra Analamanga ny kaominina miisa 15 ao amin’ny distrikan’Ankazobe. Midina ifotony mitondra fampandrosoana no tarigetran’ny fitondram-panjakana, araka ny nambaran’ireo nandaha-teny rehetra. […]




