Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofana arak’asa sy ny fikambanana Zara Hasina. Vehivavy 6 000 no hofanina amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fampivoarana ny maha olona. Tafiditra indrindra amin’ny fampiharana ny fiofanana faobe ny hetsika ary haharitra efa-bolana ny fiofanana. Hotontosaina eto Antananarivo, Antsiranana, Toliara, Fianarantsoa sy […]
Fiaraha-monina
Sampana Mpanazava sy Tily FJKM: Fanamby ny hijoroan’ny Sampati matanjaka amin’ny lafiny maro
Lasy lehibe ho an’ny Sampana Mpanazava sy Tily (Sampati) sady fanamarihana ny faha-30 taona nijoroany Ambohidratrimo. Fanamby ho an’ny 30 taona manaraka ny hijoroan’ny Sampati matanjaka amin’ny lafiny rehetra. Mamolavola olom-banona sy vonona no tanjona. Ivon’ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny Sampati FJKM sy ny lasy lehibe eny Ialanana, Ambohidratrimo. Fanamby, […]
Cua- Fokontany Ankasina : 500 ireo nisitraka ny “fahasalamana manakaiky vahoaka”
Mitohy hatrany ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanomboka ny Talata teo ary hifarana anio ny hetsika ho an’ny mponina eny amin’ny fokontany Ankasina, eo anivon’ny boriborintany voalohany. Nisitraka izany ireo mponina 500 eny anivon’ny boriborintany, hatramin’ny omaly, raha ny tatitra voaray teny an-toerana. Nahitana fizaham-pahasalamana maro […]
Tomban’ny taompianarana : hanomboka ny 14 hatramin’ny 25 aogositra
Hanao tombana ny taom-pianarana 2022-2023 ny tomponandraikitra ny 14-25 aogositra. Hahitana ny ekipan’ny fari-piadidiam-pampianarana sy ny talen-tsekoly ary ny mpanolotsaina pedagojika izany. Aorian’izay no handrafitra paikady hanarenana ny lesoka rehetra hita. Nanamafy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny fanambarana nataon’ny sekretera jeneraliny, Rabenandrasana Teophil, fa tsy andoavam-bola ny fisoratana anarana eny amin’ny […]
Hopitalim-bahoaka : miofana ho amin’ny fanatsarana ny mpiasa
Sesilany ny fampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka eny anivon’ny hopitaly. Omaly, ny teny amin’ny Centre hospitalier universitaire Mère-enfant Ambohimiandra (CHUMEA) indray no nofanina. Miompana amin’ny fandraisana sy ny serasera no hanofanana azy ireo. Nisitraka izany ireo Infirmiers d’accueil et d’orientation na IAO sy ireo mpisehatra ao amin’ny sampana Vonjy Aina. Notsongaina […]




