Fiaraha-monina

Bakalorea teknika 2ème série –LMA : nampisavorovoro ny tsy fahampian’ny laza adina nozaraina

Nisavorovoro ireo mpiadina avy amin’ny fampianarana teknika momba ny asa, omaly maraina, rehefa tafavoaka teny ivelan’ny foibem-panadinana Lycée Moderne Ampefiloha (LMA). Nitaraina izy ireo fa tsy ampy ny laza adina to­kony ho nomena ny mpiadina momba ny taranja « Schéma automatisme » ka sahiran-tsaina izy ireo. Tamin’ ny 7 ora […]

BEPC sy CEPE : nitombo ny voka-panadinana tao anatin’ny 4 taona nisesy

Navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly, ho porofo fa mahomby ny ezaka eo amin’ny fampianarana ny taham-pahafahana CEPE sy BEPC manerana ny Nosy. Niakatra hatrany ny taham-pahafahana tao anatin’ny 4 taona nisesy. Ho an’ny fanadinana CEPE, nahatratra 76,07% ny voka-panadinana raha ny tombana manerana ny Cisco rehetra eto Ma­dagasikara. Nahafa-po ny vokatra […]

JMJ any Lisbonne : nanampy ny filoha Rajoelina

Hotanterahina any Lisbonne-Portugal, ny 1 hatramin’ny 6 aogositra izao ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora (JMJ) ho an’ity taona ity. 80 mianadahy mianaka ireo hisolotena an’i Madagasika any an-toerana. Nanome tolo-tanana ho azy ireo ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny alakamisy teo. Nitarika ireo solontena ny evekan’i Fenoarivo Atsinanana, Mgr Randriamamonjy […]

Asa mamoafady : 2 tapitrisa ny ankizy tsy ampy taona very zo

Efa miditra amin’ny asa sahady ny ankizy 2 tapitrisa eto Madagasikara. Asa mamoafady no ataon’ny ankamaroan’ny ankizy amin’izany. Nentanina hahafantatra ny zon’ny ankizy ireo ray aman-dreny. Natao tany Morondava, ny faran’ny herinandro teo, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny fampiasana ankizy. Nisongadina tamin’izany, misehatra amin’ny asa sahady ny 53% […]

Morondava: fihaonambe iraisam-paritra momba ny fandriampahalemana

Mamita iraka any Mo­rondava, faritra Menabe ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ireo delegasiona tarihiny. Omaly, nihaona tamin’ireo olobe, olom-boafidy, olom-boatendry izy ireo amin’ny fanohizana hatrany ireo hetsika sy paikady hitandroana ny filaminana any an-toerana. Hanaikaikezana ny vahoaka sy hanomezana tantsoroka azy ireo hanana fitoniana sy ho […]