Fiaraha-monina

Orange Summer challenge : nisongadina ny BrAI hanampy ireo sahirana amin’ny fahitana

Nahafahan’ny tanora 24, avy amin’ny lalam-piofanana samihafa, niaraka namolavola tetikasa manampy ny mpiara-belona ny “Orange Summer challenge 2023” amin’ny alalan’ny “Artificial intelligence of things”. 657 ireo tanora nisoratra anarana hifaninana amin’ny tetikasa “Orange Summer Chal­lenge 2023”, telo volana lasa. 24 ireo naharesy lahatra ny mpitsara ka navondrona amin’ny ekipa efatra. […]

ACMIL-Andiany faha- 44 : 30 mianadahy hanatevin-daharana ny Tafika

30 mianadahy tamin’ireo mpianatra andiany mivantana faha-44 nivoaka avy eo anivon’ny Akademia Miaramila Antsirabe (Acmil), hanatevin-daharana ny Tafika Malagasy, araka ny fitsinjarana azy ireo, tetsy Ampahibe, omaly. 58 mianadahy izy ireo no nahavita fiofanana nandritra ny roa taona sy efa-bolana teo anivon’ny sekoly. Ho an’ireo 28 mianadahy kosa, hanatevin-daharana ny […]

Fiovaovan’ny toetr’andro: mirongatra ny aretin’ny taovam-pisefoana

Miteraka aretina maro samihafa ho an’ny olona, indrindra ny zaza sy ny efa nahazo taona ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Toy ny aretin’ny taovam-pisefoana. Maro ny aretina mahazo ny olona amin’izao fo­toana izao vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. “150 isan’andro ireo tonga manatona mpitsabo, raha ho an’ny eo anivon’ny Centre […]

Toetry ny andro: ahina ny mety hisian’ny havandra

Nampitandrina ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa mandritra ny rotsakorana izay andrandrain’ny faritra afovoantany hatry ny omaly, mety hitohy anio. Hisy ny havandra amin’ny toerana sasany mety hanimba ny voly. Voakasik’ity vinavina amin’ny filatsahan’ny havandra ity ny faritra Analamanga manontolo sy Alaotra Mangoro ary Vakinankaratra. Omaly, nisitraka orana […]

Mpanazava eto Madagasikara: “Mila matoky tena ny zatovovavy”

Ny fahazotoana manoloana ny zava-tsarotra mety handalo no mahatonga ny ankizivavy sy ny zatovovavy ho fanoitry ny fanovana ny hoavy ho tsara kokoa hatrany. Mihamaro ny zava-tsarotra iainan’ny ankizivavy ankehitriny eo amin’ny tontolo misy azy. Mila mivonona ho amin’izany izy ireo ary mila mahazo fanabeazana mifandraika amin’izany. Nandritra ny fankalazana […]