Mitohy ny hetsika Fahasalamana manakaiky vahoaka, ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny sampandraharahan’ ny fahasalamana sy ny sosialy. Anjaran’ny boriborintany fahaenina indray no hisitraka izany manomboka anio hatramin’ny alakamisy, eny amin’ny fokontany Ampandriambahibavy (pompe maty). Marolafy ny karazana tolotra eo amin’ny fahasalamana ho an’ny mponina. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana tsotra dia […]
Fiaraha-monina
Masoivoho japonais: nanome fiara mpitondra marary
Nanolotra fiara fitondrana marary ho an’ny kaominina ambonivohitra Toamasina ny fanjakana japonais, ny faran’ny herinandro teo. Manana CSB II enina ny kaominina fa tsy misy ny fiara hitaterana marary amin’ireo toeram-pitsaboana ireo ka nanome vahaolana ny Japonais. Efa manana ny fitaovana ahafahana mamonjy aina ao anatin’ny fiara mialoha ny hahatongavan’ ny […]
Fikambanana Psy-kôzy : hametraka ivontoerana fanarenana ara-tsaina sy ara-tsosialy
Marihina mandritra ity volana ity ny fahasalaman’ny saina. Nitondra ny valin’ny fanadihadiana natao teny anivon’ny hopitaly telo mandray an-tanana ireo olona manana olana ara-tsaina ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar, omaly, teny Ambohidahy. 17,6% no manaraka fitsaboana noho ny fiankinandoha amin’ ny zava-mahadomelina samihafa, 12% kosa noho ny fisotroana toaka, 11% avy […]
Miteraka fifanolanana : atsahatra ny fivarotana tanim-panjakana
Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia lasa teo, fa atsahatra tanteraka ny fivarotana na famindrana ny tanim-panjakana natokana “terrain du domaine privé affecté” an’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ireo ivontoeram-pikarohana ary ny IST. Nosinganina manokana ny tany ampiasain’ny Ivontoerana fikarohana momba ny fanafody (Cnarp) eny Ambodivoanjo-Ambohijatovo, izay nangatahan’olon-tsotra […]
« Jalsa Salana »: niombom-bavaka ny Miozolomanina Ahmadiyya
Tontosa, ny sabotsy teo, teny amin’ny foiben-toeran’ny Miozolomanina Ahmadiyya Andavamamba, ny fihaonambe fanao isan-taona faha-17 na « Jalsa Salana » 2023. Nisy ny fotoam-pivavahana niarahan’ireo mpino silamo Ahmadiyya rehetra narahina fampianarana sy fanamafisana hatrany ny firahalahiana eo amin’ny samy mpikambana. Araka ny fanazavan’ny misionera, Ahmed Mudassir, ny rafitra ny “Jalsa Salana” dia […]





