Rehefa tonga ny fotoana famadihana ary mirongatra ny doro tanety anatin’ny fotoana maina tahaka izao, miseho koa ny aretina pesta manomboka ny volana jolay hatramin’ny avrily, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Tsy manaja ny fe-potoana fito taona tsy azo hikitihana ny razana matin’ny pesta ny fianakaviana ka mampiparitaka ny […]
Fiaraha-monina
Sempama : “Misy mpanabe mbola mikarama 110 000 Ar”
« Mpampianatra toy inona no ilaina, mifandraika amin’ny fanabeazana irintsika ka manery antsika hitady vahaolana mahakasika ny tsy fahampian’ny mpampianatra » ny lohahevitra napetraky ny Unesco hanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpanabe, omaly. Mahatratra 200 000 ny isan’ny mpampianatra eto amintsika amin’izao fotoana izao : 75 000 ireo mpiasam-panjakana […]
Mpitatitra taxi-moto : tsy manaiky ny hisian’ny korontana eto amin’ny firenena
Manoloana ny korontana nisy teto Antananarivo, tao anatin’ny 3 andro izay. Misy fiantraikany betsaka amin’ny fitadiavam-bolan’ireo taxi-moto ny savorovoro, raha ny fanazavan’izy ireo. «Tsy miombon-kevitra amin’ny fanakorontanana misy amin’izao fotoana izao ny Vovonan’ny mpitatitra taxi-moto eto Madagasikara (VMTM), raha ny fanambarana natoan’izy ireo tetsy Andohatapenaka, omaly. Tsy eken’izy ireo intsony […]
MFM: “Ilaina diovina ny tokontany”
Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny MFM, omaly, teny Ankadimbahoaka. Mazava ny fanambarana. “Ilaina ny fifampiresahan’ny samy Malagasy ary mila diovina ny tokontany vao miroso amin’ny fifidianana”, hoy izy ireo. Anton’izany ny hialana amin’ireo korontana sy krizy eto amin’ny firenena. Manamafy ny hisian’ny fifanelanelanana ataon’ny FFKM eo amin’ireo kandidà […]
Tafika Malagasy : miaramila 14 nahavita fiofanana
Nitombo indray ireo miaramila manam-pahaizana manokana momba ny serasera sy ny fampianarana ireo fitaovan-tserasera. Manamboninahitra lefitra 14 izy ireo izay nahazo ny « certificat technique N°2 » Notontosaina teny amin’ ny Cercle Mess Fiadanana ny fizarana ny taratasy famantarana ny fahavitan’ny fiofanana, ho an’ny miaramila 14 mirahalahy, afakomaly. Fiofanana momba ny tontolon’ny […]





