Fiaraha-monina

Fampidirana mpianatra : manodidina ny 350 000 Ar isaky ny ankizy ny vola ilaina

Manao famandrihana toerana amin’ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana vaovao, 2023-2024, ny ray aman-dreny, amin’izao fotoana izao. 106 000 Ar ka hatramin’ny 122 000 Ar ny sandan’ny fisoratana anarana, miaraka amin’ny “frais généraux”, isaky ny mpianatra ka ny “préscolaire” no ambony indrindra ny sora-bola. 53 000 Ar ka hatramin’ny 65 […]

17 aogositra ny “délibération”: hivoaka alohan’ny lalaon’ny Nosy ny valim-panadinana

Nitsara ny taratasim-panadinana bakalorea araka ny fahaizan’ny mpiadina ny mpitsara ho an’ny sampana teknika, teo amin’ireo taranja telo literera : Frantsay sy Anglisy ary Filozofia izay nisy fifandisoana ny laza adina ho an’ny “spécialité” sasany. Ny mpiadina teny amin’ny LMA sy ny LTC no nitragan’ny olana. Tsy nampiova loatra ny […]

Tantara an-tsehatra : nandresy ny lycée Faravohitra

Notontosaina tao amin’ny Alliance française Andavamamba, ny famaranana ny andiany fahafito, tamin’ny fifaninanana nasionaly ho an’ny tantara an-tsehatra amin’ny teny frantsay. Nikarakara ny hetsika ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Mpiara-miasa ny tetikasa “Éducation service de coopération et d’action culturelle (EduSCAC)” an’ny masoivoho frantsay sy ny fikambanan’ny mpampianatra miteny frantsay eto Madagasikara. Tropy […]

Fanadinana bakalorea : vita ny zoma teo ny fitsarana ho an’ny sokajy ankapobeny

Tontosa ny zoma teo ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny 1ère série ho an’ny sampana teknika. Hanomboka anio ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny taranja fototra rehetra 2ème série. Vita ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny fampianarana ankapobeny, izay niteraka savorovoro ny olana marobe niseho. Mbola […]

Fikambanana Daholo : Tanora 12, nahavita fiofanana

Notolorana mari-pankasitrahana ireo tanora mpianatra 12, andiany faha-8 sy faha-9 eo anivon’ny fikambanana Da­holo, ny sabotsy lasa teo. Na­ha­vita fiofanana mikasika ny fahaiza-mitarika (Young leaders dirigeants), momba ny fanamboarana savony vita amin’ny zava-maniry izy ireo. Nampiofanina avokoa izy ireo taorian’ny tetikasa niombonana sy niarahan’ny mpianatra, nampitondraina ny lohateny hoe : «Tolotanam-pivoarana». […]