Mitaky maripana, manaja ny fenitra takina ny fitehirizana ny vaksiny. Nahazo fitaovana arifomba avy amin’ny governemanta amerikanina i Madagasikara hanampy ireo efa amperinasa amin’izao fotoana. Nanolotra fitaovana arifomba ho an’ny fitehirizam-baksiny, mitentina 4,5 miliara Ar, ho an’i Madagasikara ny governemanta amerikanina. Amin’ny alalan’ny USAID Impact no naaovana izany ka tanterahin’ […]
Fiaraha-monina
Kaominina Fenoarivo : olona maro mitaky ny hamerenana ny taniny
Nanao hetsika fitakiana ny hamerenana aminy ny taniny ireo mponina mahatsiaro ho tratran’ny tsindry hazolena etsy amin’ny kaominina Fenoarivo, omaly. Tokantrano 200 mahery izy ireo no milaza ho tompon’ny tany sy efa nanajary izany. Tany mirefy 23ha mahery no nalaina tamin’izy ireo an-keriny, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny fokontany ao Ambohijatovo […]
Ady amin’ny fiparitahan’ny tsaho : afisy fanentanana 900 apetaka amin’ny fiara fitaterana
Resy lahatra ny kaoperativa fitaterana valo: Ambinintsoa, Fifafima, Kofitama, Komafila, Kofimi, Malakia, Kofitam ary Kofimanga, anatin’ny tetikasa Rooted In Trust 2.0 Madagascar, amin’ny maha zava-dehibe ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny loza ateraky ny fanjifana vaovao tsy marina momba ny Covid-19 sy ny fahasalamana amin’ny ankapobeny. Nanaiky maimaimpoana izy ireo hampiasana […]
Tetikasa Haraton’aina: havaozina ny paikady nasionaly
Ao anatin’ny fanamarihana ny herinandro fampahafantarana ny tetikasa “Haraton’aina” no hidirana amin’ny iray volan’ny fiahiana sosialy amin’io volana mey io, ataon’ny minisiteran’ny Mponina, tarihin’ny minisitra Soafilira Princia. Hisy ny tombana hatao hahafantarana ny ezaka vita sy ny mbola miandry. Ho fantatra eo na tratra ny tanjona napetraka na tsia. Anisan’ny […]
Kaominina Antananarivo Renivohitra: Polisy monisipaly sy mpamonjy voina vaovao 200
Notanterahina, omaly , tetsy amin’ny Lapan’ ny tanàna Analakely ny famoahana mpianatra polisy monisipaly sy mpamonjy voina 200 . Misalotra ny anarana “Sedra”. 97 amin’ireo mpianatra polisy monisipaly ary 74 mpamonjy voina ary 100 ambiny napetraka teo ambany faneva. “384 ny isan’ny mpamonjy voina eto Antananarivo ankehitriny raha toa ka […]




