Nohavaozin’ny Orange solidarité Madagascar ny sekoly 10 rava nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai, ny taona 2022, tao amin’ny distrikan’i Manakara sy i Mananjary. Vokatr’izay, afaka manohy fianarana milamina ny mpianatra 4 000 satria afa-miasa indray ireo fotodrafitrasa ireo. Ankoatra izay, lasa sekoly niomerika ny efatra amin’ireo 10 nohavaozina, tetikasa iarahana […]
Fiaraha-monina
Fako plastika eto Madagasikara: manambana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ny tsy fisian’ny politika fitantanana
Afaka 100 taona no ho mihoatra ny faharavan’ny akora plastika iray nefa 40% amin’ny vokatra plastika ampiasaina indray mandeha dia ariana. Mila manova ny fomba fiaina sy fanjifana ny olona hampihenana ny fako plastika mitondra voka-dratsy samihafa. Mamokatra fako 300 g ka hatramin’ny 400 g isan’andro ny olona iray. Eto […]
Boriborintany faha-VI : nisitraka ny “fahasalamana manakaiky vahoaka”
Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka karakarain’ny ekipan’ny departemanta misahana ny Asa sosialy sy ny fahasalamana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Eny amin’ny boriborintany fahenina, ao amin’ny fokontany Ambohimandroso, indray ny hetsika, nanomboka ny talata lasa teo ary hifarana rahampitso. 600 mahery ireo nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana hatramin’ny omaly. Ahitana […]
JNE III : 15 000 ireo ankizy katolika mizaika eto Antananarivo
“Rankizy! Ndao hiara-dia hitory ny vaovao mahafaly ho fanantenan’ny eglizy”. Io no lohahevitry ny Androm-pirenena ho an’ny ankizy (JNE III) katolika andiany fahatelo. Natao omaly, tetsy amin’ny Esca Antanimena, ny sorona masina fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika, miaraka amin’ny fivondronamben’ny Eveka manerana ny Nosy, tarihin’ny arseveka Mgr Rabemahafaly Fulgence. […]
Tetikasa « Produir » : vita ny 91%-n’ny fotodrafitrasa sosialy
Miantsehatra amin’ny fametrahana ny fotodrafitrasa sosialy ilain’ny mponina eny ifotony ny tetikasa «Produir», miaraka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa vita avokoa ny 91% amin’ireo fotodrafitrasa miisa 206 tokony hatsangana mandritra ny andiany voalohany. Mbola hisy fotodrafitrasa miisa 238 kosa hamboarina mandritra ny tetikasa andiany faharoa. Efa nisitraka ny tetikasa sosialy […]





