Nahomby ny vokatry ny tetikasa andrana amin’ny faritra telo : Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Itasy amin’ny Sehatrasa hanatsarana ny antoka ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafon’ny zaza amam-behivavy (Sahaza). Nanomboka ny taona 2019 ary hifarana ny marsa 2024 ny sahanasa atao iarahan’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana japoney (JICA) manatanteraka. Tetikasa iadiana […]
Fiaraha-monina
Seces Antananarivo : misy ny ezaky ny fanjakana saingy tsy ampy
Miandry ny fahafahan’ny fitondram-panjakana mamaly ny fangatahana ny Seces. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny minisiteran’ny Vola sy ny minisitera miahy ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny talata teo. Nihaona koa ny Seces sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, ny zoma teo. Tsapa fa nisy ny ezaka nataon’ ny fanjakana […]
Tily Analamanga Afovoany : homarihina ny andron’ny folara
Hanamarika ny andron’ny folara na fanavaozana ny fanekena ireo Tily, ny talata izao, izay karakarain’ny faritany Tily Analamanga Afovoany tarihin’ny filohany, Ravelomanantsoa Sedera Enikaja. Hivondrona etsy amin’ny Parvis Analakely izy ireo mandritra ny ora iray. Eo no hanavaozana ny fanekena izay hataon’ny mpikambana rehetra. Handeha mivantana amin’ny TVM kosa ny […]
Mpitsirika ny fanorenana tsy ara-dalàna: manana karatra manokana sy tsy mitaky vola
Mila mailo ny mponina eto Antananarivo ka hanamarina tsara ny olona tonga milaza ho mpitsirika avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sady mitaky vola. “Betsaka ny fitarainana fisolokiana voarain’ ny tomponandraikitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary miha maro izany tato ho ato ka ilana fandraisana andraikitra”, hoy ny talen’ny Tsara tantana […]
Fampirantiana momba ny fiofanana : hahazo vahana ny teknolojia vaovao
Ho maro anisa kokoa ny oniversite mampiofana momba ny informatika sy ny orinasa misehatra amin’izany mandritra ny hetsika fampahafantarana fiofanana sy asa andiany fahafito eny amin’ny AFT Andavamamba. Sehatra miroborobo eto amintsika sy maneran-tany ny informatika sy ny teknolojia vaovao ary manana ny toerana eo amin’ny tontolon’ny asa ka entanina […]





