Navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly, ho porofo fa mahomby ny ezaka eo amin’ny fampianarana ny taham-pahafahana CEPE sy BEPC manerana ny Nosy. Niakatra hatrany ny taham-pahafahana tao anatin’ny 4 taona nisesy. Ho an’ny fanadinana CEPE, nahatratra 76,07% ny voka-panadinana raha ny tombana manerana ny Cisco rehetra eto Madagasikara. Nahafa-po ny vokatra […]
Fiaraha-monina
JMJ any Lisbonne : nanampy ny filoha Rajoelina
Hotanterahina any Lisbonne-Portugal, ny 1 hatramin’ny 6 aogositra izao ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora (JMJ) ho an’ity taona ity. 80 mianadahy mianaka ireo hisolotena an’i Madagasika any an-toerana. Nanome tolo-tanana ho azy ireo ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny alakamisy teo. Nitarika ireo solontena ny evekan’i Fenoarivo Atsinanana, Mgr Randriamamonjy […]
Asa mamoafady : 2 tapitrisa ny ankizy tsy ampy taona very zo
Efa miditra amin’ny asa sahady ny ankizy 2 tapitrisa eto Madagasikara. Asa mamoafady no ataon’ny ankamaroan’ny ankizy amin’izany. Nentanina hahafantatra ny zon’ny ankizy ireo ray aman-dreny. Natao tany Morondava, ny faran’ny herinandro teo, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny fampiasana ankizy. Nisongadina tamin’izany, misehatra amin’ny asa sahady ny 53% […]
Morondava: fihaonambe iraisam-paritra momba ny fandriampahalemana
Mamita iraka any Morondava, faritra Menabe ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ireo delegasiona tarihiny. Omaly, nihaona tamin’ireo olobe, olom-boafidy, olom-boatendry izy ireo amin’ny fanohizana hatrany ireo hetsika sy paikady hitandroana ny filaminana any an-toerana. Hanaikaikezana ny vahoaka sy hanomezana tantsoroka azy ireo hanana fitoniana sy ho […]
Fanaraha-maso ny mpanao fanadinana: «Tsy misy idiran’ny finoana ny fepetra takina ho an’ny rehetra»
Tetsy amin’ny lisea teknika Tanamakoa, nandritra ny fanadinana Bakalorea, sampana teknika, ny alarobia teo, tao anatin’ny adina Fizika sy Simia no nisian’ny famoahana mpiadina manao satroka ba sy sarondoha manampina sofina. Ny lehiben’ny foibem-panadinana no nandray ny fanapahan-kevitra. Ho an’ ireo nanao satroka ba tsy nahabe resaka fa nanala izany […]





